• Cours de change
  • 4650.19 AR
  • |
  • $4407.42 AR
Copyright Image : © Prm/Siteny
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Vaky ny ady politika eo amin'ny filoha Andry Rajoelina sy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko

27/03/2023 06:09 © Moov.Mg

Heverina fa noho ny famalian'ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko ny kabary nataon'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no antony nanakanana ny Mihava Tour tao Mananjary ny faran'ny herinandro teo.

Fanakanana efa voaomana

Ny zoma 24 martsa dia efa nitranga ny olana. Tsy nahazo alalana hiainga mantsy ny fiaramanidina manokana izay nofain'i Siteny Randrianasoloniaiko sy ireo depiote namany. Voatery nandeha fiara nandritra ny alina izy ireo mba hamonjena ny fotoana nomena ny vahoakan'i Mananjary.
Ny sabotsy 25 martsa kosa, vao mangiran-dratsy dia efa tsikaritra niantsona manodidina ny kianja malalaka anatanterahana ny hetsika ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa natao moa ny fifampiresahana dia tafiditra ny toerana ihany, saingy minitra vitsy no nandraisana fitenenana teny ambony lapihazo. Voatery nanohy ny lahateniny teny ambony fiarany i Siteny Randrianasoloniaiko avy eo.

Valin-kafatra mafonja

I Siteny Randrianasoloniaiko no hany mpanao politika tena sahy namaly ny fihantsiana nataon'ny filoha Andry Rajoelina, fony izy nitokana ny EPP Andoharanofotsy. Nanambara ingahy depiote fa "tena sady mpiady no mpandresy, fa tsy mpikatroka sarintsariny". Nampitahaina tamin'izany moa ny taranja "karate" sy "judo". Efa nanomboka araka izany ny fifamelezana ara-politika, entina ambaboana ny fon'ny vahoaka Malagasy. Adin'ny samy ngeza moa no resaka, ka samy mampiseho ny heriny sy ny fahefany.
Koa satria isaky ny faran'ny herinandro ny Mihava Tour, nanapa-kevitra ny fanjakana fa hanome baiko midina ny amin'ny tsy ahafahan'i Siteny Randrianasoloniaiko mamory vahoaka intsony. Ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, dia nahazo namory vahoaka an-kalalahana ny sabotsy lasa teo, teto Antananarivo.

Ady Politika

Tany demokratika i Madagasikara. Malalaka araka izany ny famoriam-bahoaka, rehefa mahazo alalana amin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Amin'izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao, tsy tokony mbola hiditra amin'ny fampielezan-kevitra ireo mikasa hilatsaka ho fidiana. Na misy aza ny famoriam-bahoaka dia tsy tenenina ny hoe "fidio aho", na "fidio i ranona".
Mampanahy ny maro ny isian'ny korontana eto amin'ny firenena ny amin'ny fifidianana 2023. Mamikitra mafy ny toerany mantsy ireo mpitondra raha miezaka mafy handrombaka fahefana sahady ireo mpanao politika. Ho an'i Siteny Randrianasoloniaiko manokana, miandry fanazavana izy ny amin'ny antony nanakanana ny hetsika nokarakarainy ny faran'ny herinandro teo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo