• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © 337544474_220721370637387_6817155548875216891_N.Jpg
Image
Vaovao

Fampandrosoana eny ifotony : Notolorana Fiara tsy mataho-dalana sy Solosaina ireo Prefets sy Lehiben'ny distrika

25/03/2023 07:13 © Moov.Mg

Notanterahina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana fanolorana fiara tsy mataho-dalana ireo Prefets sy Lehiben'ny Distrika rehetra manerana ny Nosy. Nahazo solosaina ihany koa izy ireo.

Velirano faha-12 nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahateo ny fampandraisana anjara ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin'ny asa fampandrosoana. "Ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony no anisan'ny hahafantsika mampandroso ny firenena satria ianareo tompon’andraikitra no manakaiky ny vahoaka sy ny olom-pirenena ary ny fanapahan-kevitra rehetra raisina dia tokony manoloana ny zava-misy eny ifotony" hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny fandraisam-pitenenany.

Niantso ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo solontenam-panjakana isan-tokony ihany koa ny tenany amin'ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana. Anisan’izany ohatra ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hizarana ireo karatany 2 tapitrisa amin'ity taona ity manerana an'i Madagasikara.-panjakana Iavoloha omaly ny lanonana fanolorana fiara tsy mataho-dalana ireo Prefets sy Lehiben'ny Distrika. Nahazo solosaina ihany koa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo