• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fanohanana ny tantsaha : Nisitraka zezika biolojika 10 taonina ny ministeran'ny fambolena

31/01/2023 20:43 © Moov.Mg

Ho fanampiana sy fanohanana ireo tantsaha mpamokatra nieren-doza tamin’ ny fandalovan’ ny rivo-doza Cheneso, dia nanolotra zezika biolojika taroka 10 taonina ho an’ ny fitondram-panjakana malagasy ny orinasa STOI.

Fampiroboroboana ireo vokatra

Anio Talata 31 janoary 2023 no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy izany teo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny 31 janoary 2023.
Izao hetsika izao dia hanamafisana ny firaha-miasan’ ny Fanjakana Malagasy amin’ ny sehatra tsy miankina. Homena tombony manokana ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ ny faritra Maroantsetra izay anisan’ny nandalovan’ny rivo-doza ary ao anatin’ ny fotoam-pamokarana amin’izao fotoana. Anisan’ny tanjona amin’izao ihany koa ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay Velirano fahasivin’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA.
Zava dehibe tokoa ny fanohanana ny tantsaha amin’ ny fizarana ny hanampamokarana satria « ny fampiasana zezika bilojika dia mampiakatra ny taham-bokatra sy fitandrovana ny nofon’ ny tany », hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RAMILISON Harifidy. « Nanamafy ihany koa ny tenany fa hisitraka ny tohana avy amin’ ny fitondram-panjakana avokoa ireo tantsaha any amin’ ny faritra izay nolalovan’ ny rivo-doza ary hisy ihany koa ny fizarana fitaovam-pamokarana madinika.

Fankasitrahana ny STOI

Nandritra ny fanolorana ireo zezika dia nisaotra ny fiaraha-mientan’ ny orinasa STOI ihany koa Andriamatoa Ministra. Ny STOI moa dia anisan’ ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana indrindra eo amin’ ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra, ny fanapariahana ny zezika natoraly ary ny famatsiana hanampamokarana ho an’ ireo tantsaha any amin’ ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana izay nandalovan’ ny rivo-doza maro ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo