• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Campus_Universitaire_De_Barikadimy_À_Toamasina
Image
Vaovao

Oniversiten’i Toamasina : Ny alatsinainy teo ny taom-pidirana ara-pedagojika

26/01/2023 10:08 © Midi Madagasikara

Niantso mpanao gazety ny prezidansin’ny Oniversiten’i Toamasina, nilazany ny fidiran’ny mpianatra ara-pegagojika ny alatsinainy teo.

Nandritra izany no nanaovany tatitra ny asa vita ny taona nivalona iny, isan’ireny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny oniversite sy ny fankalazana ny faha-45 taona nijoroan’ny oniversite ary ny fampidirana ireo mpiasa ao anatin’ny mandray karama eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana, teo koa ny fanatontosana antsakany sy andavany ny bakalorea. Nandritra izany koa no nanao tatitra ny isan’ny trano, batiments miisa 07 sy Conaco miisa 17, izay manomboka ny 01 febroary ny fandoavana ny hofany eny amin’ny banky, ary mifarana izany ny 3 febroary izao. Nilaza mantsy ny mpisahana ny trano fa efa nivoaka ny lisitra ho an’ireo mahazo trano, izay arakaraka ny taona sy ny filières atao no ahazoana izany. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny trano eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, dia 2.300 no nahazo trano tamin’ireo 11.000 nipetraka tao teo aloha, izay andrasana ny fanateran’izy ireo ny entan’ny oniversite nangalarin’izy ireo, hoy ity tompon’andrakitra ny trano ity. Ankoatra izany araka ny fanazavana dia efa nisy ireo mpianatra efa nanao fianarany ny alatsinainy teo, isan’ny sampam-pampianarana ny lalana sy ny toe-karena. Nilaza koa ny filohan’ny oniversite fa manana efitrano fampianarana miisa 27 eo any oniversite amin’izao, ka misy mahazaka hatrany amin’ny mpianatra 400 ireo efitrano fampianarana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo