• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Vaovao

Miaramasoandro Antsirabe : Tany ifanolanana, sahirana ny mpandrefy manao ny asany

24/01/2023 09:55 © Midi Madagasikara

Tany efa nazahoana titre sy hananana « certificat de situation juridique » ara-dalàna no ifanolanan’ny mpiaramonina eny amin’ny fokontany Miaramasoandro Antsirabe ambonivohitra omaly Alatsinainy.

Tonga teny an-toerana ny vaditany sy ny mpandrefy tany manam-pahaizana, narahana mpitandro ny filaminana hanao ny asany saingy nisy nanakana sy mitonona fa tsy azo atao ny miditra ny faritry ny tany noho ny baiko voarain’ireo olona ireo. Ireto farany izay voalaza fa nomena alalana hiambina ny tany no nitsivalana nikasa handà ny didim-pitsarana. Nambaran’io mpiambina io fa ireo olona naniraka azy no tena tompon’ny tany izay tsy eto an-toerana fa monina any Antananarivo. Ora maro taorian’ny fifanazavana anefa dia nilamina ihany ny raharaha satria nanaiky ny handrefesana sy hamaritana ny tany ihany ireo mpanohitra. Etsy an-daniny, nambaran’ny Rtoa Emilienne Raharimampianina Unionne izay isan’ny mpandova, manana taratasy ara-dalàna ny tany fa efa niakatra fitsarana maromaro ny raharaha ary tsy nahazo rariny ireo olona mpifanandrina taminy kanefa dia mbola misy mahasahy mitonona fa tsy azy ny tany, ary manakana ny famaritana ny faritry ny taniny mitondra ny anarana Ambohimasy III ampahany amin’ny tany 2Ha lova napetraky ny ray aman-dreniny. Ankilany, milaza ho manana taratasy koa ireo mpifanandrina aminy raha ny nambaran’ireo olona napetraka hiambina ny tany saingy hatramin’ny ora nialan’ny mpanao gazety teny an-toerana dia tsy tonga ireto farany izay mitonona ho tompon’ny tany ihany koa. Andrasana noho izany izay mety ho fanazavana hoentin’ny an-kilany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo