Ambositra : Tafakatra 11 ny isan'ny maty noho ny fahapoizinana ara-tsakafo
Nitrangana fahapoizinana ara-tsakafo mahatsiravina tao Ambositra, ny alahady 22 jona lasa teo. Tafakatra 11 ny isan'ny maty.
6 no voalaza fa maty androany 24 jona maraina. Mbola nitohy ny famoizana aina teny amin'ny CHRR Ambositra na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo. Ny atoandro teo, niakatra ho 8 ireo namoy ny ainy. Izao hariva izao, mbola niampy 3 indray ny maty, ka lasa 11 izany hatreto ireo lavo. Fantatra fa anisan'ireo namoy ny ainy ilay zazalahikely vao natao kaominio voalohany.
Fahapoizinana noho ny Charcuterie
Lanonam-pianakaviana noho ny kaominio voalohany no nahavory mpianakavy ny alahady lasa teo. Ny tao an-tranon'ilay zazalahikely nandray fahasoavana ihany no nikarakara sakafo, sady nanolo-tanana rahateo ireo fianakaviana akaiky. Ny "Charcuterie" nataon'izy ireo tamin'ny sakafo no ahiana nahatonga izao loza izao. Nentina avy any Toamasina mantsy io vokatra io, ka heverina fa tsy nety ny fitehirizana azy.
Manao izay ho afany tokoa ny mpitsabo, hatramin'izay nandraisana an-tanana ireo marary. Mbola misy marary miisa 13 moa manaraka fitsaboana.
Efa mandeha moa ny fanadihadihana lalina mikasika izao raharaha izao. Ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana ihany mantsy no afaka hamaritra izay antony tena niavian'ny loza. Mandray ny andraikiny ihany koa ireo mpitandro ny filaminana ao Amoron'i Mania.
Tolo-tanana
Nigadona tao Ambositra io hariva io ny Minisitra 4, ka anisan'izany ny Ministry ny Fahasalamana Pr Zely ANDRIAMANANTANY. Tonga nankahery ireo marary sy ireo manana fahoriana izy ireo. Nisy ny fifampiresahana tamin'ireo mpitsabo mba hanavotana ireo marary. Noho izany indrindra, nisy ireo nalefa hanohy fitsaboana eto an-drenivohitra, ka ny Governora no niantoka ny solika ny Ambulance nitondra azy ireo.
Hamafisina hatrany ny fanentanana ny rehetra mba ho mailo sy hitandrina amin'ny resaka sakafo indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao.