Fitaterana : Natolotra teny Ivato ireo fiara hitatitra maimaimpoana eny amin’ny Lac Iarivo
Natolotra androany, teny amin’ny CCI Ivato, ireo fiara nafarana miisa 42. Ho ampiasaina rahampitso 25 jona amin’ny hetsika isan-karazany eny amin’ny Lac Iarivo ireo fiara ireo. Miisa 12 amin’ireo no elektrika ary 30 kosa ireo tsy maintsy hampiasa solika.
Hitaterana ireo mpanao arendrina
Raha teny amin’ny farihin’Anosy hatrany no nanatanterahana ny afomanga lehibe sy ny « show drone » hatramin’izay, niova toerana ho eny amin’ny Lac Iarivo izany amin’ity 2025 ity. Hanasana ny rehetra hatrany anefa izany ka nisy ny vahaolana amin’ny fifamezivezena. Ho ampiasaina amin’ny fitaterana ireo olona hanatrika sy hiala voly amin’izany eny an-toerana ireto fiara ireto. Hisitraka izany izy ireo na mandroso na miverina ; manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 11 ora alina.
Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa Foton, izay mpamokatra ny fiara dia mahazaka olona 72 ireo fiara elektrika raha 45 kosa ho an’ireo fiara mandeha amin’ny solika. Etsy ankilany moa dia efa vonona ary naseho ihany koa ireo mpamily hiasa amin’ny fampiasana ireo fiara ireo. Ahitana vehivavy ao anatin’izany. Raha ny fanazavana avy amin’ny Filoham-pirenena dia tsy ho ampitoviana amin’ny karaman’ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka tsotra ny karaman’izy ireo.
Haparitaka amin’ny faritra maro
Anisan’ny antony nampidirana ireto fiara ireto eto Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana. Hihena ny setroka maloto sy ny feo mafy manelingelina ny olona amin’izy ireo. Aorian’ny fetin’ny fahaleovantena dia hisy ny zotra vaovao hampiasana azy ireo izay hampitohy ny Seranam-piaramanidina Ivato amin’i Tsarasaotra.
Ankoatra izay moa dia nanamafy ny Minisitry ny fitaterana fa hitohy any amin’ireo renivohi-paritany isan-karazany ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Isan’ny hisitraka izany i Toliara, Toamasina, Mahajanga ary Fianarantsoa. Hanampy azy ireo i Antsirabe sy Nosy Be. Fiara miisa 300 amin’izy ireo no vinavinaina ho tonga eto Madagasikara. Ho tonga amin’ny tapaky ny volana jolay ny 100 ary any amin’ny fiandohan’ny volana aogositra kosa ny 170 ambiny, hoy ny fanazavany hatrany.
Fanavaozana ny fitaterana
Maharitra ora 2 ny famenoana ny vatoaratra amin’ireo fiara elektrika ireo ary mahavita lalana mirefy eo ho eo amin’ny 250km eo izany. Tsy hisy intsony ny fandoavana saran-dalana hataon’ireo mpandeha satria hampiasaina ny « billetterie électrique ». Etsy ankilany dia hiena ihany koa ny tabataba ao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka satria teboka fotsiny no tsindriana isaky ny toeram-pialana ka mijanona avy hatrany ny mpamily.