• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

Yas Coupe 2025 : Ekipa sangany tamin’ny taona 2024 hifanandrina amin’ireo ekipa vao miakatra

14/05/2025 15:14 © Moov

Notanterahina teo amin’ny Campus Yas Andraharo, androany ny antsapaka ho an’ireo ekipa hifanandrina amin’ny ampahavalon-dalana amin’ny lalao Yas Coupe Madagascar 2025. Teo anatrehan’ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra sy ny solontenan’ireo ekipa sasany no nanatanterahana izany. Hanomboka ny 25 mey izao ny lalao.

Ekipa miisa 16

Nozaraina roa mazava tsara ny ekipa handray anjara amin’ity ampahavalon-dalana ity. Natokana ireo sangany nandritra ny Yas coupe ny taona 2024 sy ireo ratsiratsy toerana saingy tafiakatra tamin’ity ampahavalon-dalana ity. Miisa 16 araka izany izy ireo no hanatanteraka ny lalao ny 24 sy 25 mey ho avy izao ; ary araka ny antsapaka dia :
Hiakatra ny kianja ny 24 mey :
FC Rouge hifanandrina amin’ny Requin Bleu ;
USCA Foot hifandona amin’ny Toulon FA ;
AS Fanalamanga hiady ny toerana amin’ny AS FAJI Atsimo Andrefana
COSFA mpandray anjara amin’ny PFL kosa hifandona amin’ny COSFA Espoir.
Ny 25 mey kosa :
Elgeco Plus hifanintsana amin’ny FC Wagner
CFFA hiady amin’ny USCA Foot Espoir
AJESAIA mpandray anjara amin’ny PFL hifandona amin’ny NET Foot
MAMA FC hifanenjana amin’ny AS Avenir Sainte Anne

Hatao eto Antananarivo ny ankamaroan’ny lalao

Manomboka eto amin’ity ampahavalon-dalana ity dia nanazava ny avy ao amin’ny FMF fa saika eto Antananarivo avokoa no hanatanterahana ny lalao. Marihina fa hotanterahina ny 22 jona ny ampahefa-dalana, 2 jolay ny manasa-dalana ary 7 jolay kosa ny lalao famaranana.
Tsiahivina ihany koa fa efa misy lalao mandeha amin’izao fotoana izao. Miisa 69 ny klioba nandray anjara tamin’izany ary lalao miisa 53 no efa vita izay mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires