• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Nosy Hara : Orita milanja 36 544 taonina no azon’ireo mpanjono tamin’ny fisokafan’ny taom-panjonoana

14/05/2025 14:09 © Moov

Nisokatra nanomboka ny alatsinainy teo ny vanim-potoan’ny fanjonoana orita, tao amin’ny faritra arovana Nosy Hara Vahilava, Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina, Distrika Antsiranana II, Faritra Diana. Tsara ny vokatra izay manamarika ny fahombiazan’ny fitantanana tsara nataon’ireo mpisitraka ny toerana.

Tsara kalitao ny vokatra

Raha nandritra ny andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana dia efa namaritra fa tsara kalitao ny vokatra. Nanamarika izany andro izany ny oritra iray milanja 4 kilao be izao. Nampiseho izany, hoy ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga fa lehibe sy tsara ny orita ho an’ity taona ity, tao an-toerana. Ankoatra izay dia nahavita nanangona orita hatramin’ny 80 kilao ny mpanjono tamin’io andro io, ihany. Raha ny fitambaran’ny vokatra azo rehetra dia milanja 36 544, tamin’io andro voalohany io fotsiny.
Manaporofo izany rehetra izany fa nahomby ny asa fikojakojana ny ranomasina sy ny fanarahana ny fitsipika tamin’ny fomba fikarakarana azy ireny. Izany rehetra izany, izay hiarahan’ny mponina miasa amin’ny Madagascar National Parks. Etsy ankilany dia mbola porofon’ny fahatsaran’ny harena misy ao amin’io Nosy Hara io izany rehetra izany.

Tanjona ny jono maharitra

Ny faritra arovana Nosy Hara, hita ao amin’ny Faritra Diana, dia tsy vitan’ny manome fivelomana ho an’ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andranovondronina sy ny Distrika Antsiranana II fotsiny, fa koa mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny fampiroboroboana ny fizahan-tany ara-tontolo iainana. Ny fisokafan’ity vanim-potoana fanjonoana ity dia manamarika ny fandraisana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana, sady miantoka ny fitandroana ny fifandanjana eo amin’ny tontolo iainana sy ny asa fiveloman’ny mpanjono. Ny fanarahana ny fepetra rehetra mikasika ity fanjonoana ity natao mba hiantohana ny fanjonoana maharitra, mifanaraka amin’ny fitsipika napetraka ho fiarovana ny harena voajanahary ao Nosy Hara.

Lire la suite

Articles Similaires