• Cours de change
  • 5027.16 AR
  • |
  • $4514.42 AR
Copyright Image : © Minisiteran'Ny Foloalidahy
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa ara-tafika : Ho ampitomboina ny isan’ireo miaramila Malagasy hiofana any Ejipta

14/05/2025 09:49 © Moov

Nanatanteraka fitsidihana tany Ejipta ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy malagasy sy ireo mpiara-dia taminy ny 10 ka hatramin'ny 13 may 2025, teo. Nandray azy ireo tamin’izany ny Minisitry ny Fiarovana Ejiptiana. Nifantohan’ny fihaonana ny fanamafisana ny fifandraisana ara-miramila teo amin’ny firenena roa tonta.

Fiofanana ara-miaramila

Ho fampiroboroboana io fiaraha-miasa io dia nisy ny fangatahana manokana nataon'ny Minisitry ny Foloalindahy malagasy ny amin'ny fiofanan'ny sampana fitsikilovana. Tanjona ao anatin’izany ny mba hahafahan’ireo miaramila malagasy mandray fanapahan-kevitra ara-potoana sy mba hiarovana ny harena sy hisorohana ny trafika rehetra misy. Namaly ny Minisitra Ejypsiana fa hampitomboina manokana ny fiofanana mahakasika izany amin'ny fiaraha-miasan'ny roa tonta.
Ao anatin’izany indrindra dia nankatoavin'ny Minisitry ny fiarovana ejipsiana ihany koa ny fampitomboana ny isan'ireo miaramila Malagasy hanaraka fiofanana any Ejipta ary handefa mpampiofana aty Madagasikara ihany koa izy ireo ho fanampin'izay.

Fanatsarana fiaraha-miasa

Tanjona tamin’izao fitsidihana izao moa ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta mba hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy. Izany dia mba hahafahany miatrika ireo andraikitra sy iraka sahaniny ho an’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Ankoatra ny fifanarahana amin’ny fiofanana dia nitsidika ny orinasa miaramila mpanamboatra fitaovam-piadiana tahaka ny basy sy bala, ny delegasiona. Nanaraka izany ny "Arab Organisation for Industry" izay vondrona mamokatra fitaovana ho amin'ny fiarovana amin'ny alalan'ny teknolojia avo lenta ary ny fitsidihana ny orinasa miaramila "TEMSAH", mpamokatra fiara mifono vy. Namaranana ny fitsidihana ny ivotoerana mpamokatra sy mpivarotra fanamiana miaramila.

Lire la suite

Articles Similaires