• Cours de change
  • 4650.19 AR
  • |
  • $4407.42 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Sport

Baolina kitra : Voafidy ho mpanazatra ny Barea A i coach Roro

30/05/2023 21:30 © Moov.Mg

Coach Roro no hanazatra ny ekipam-pirenenana Barea A mandritra ireo lalao fanintsanana roa farany amin’ny CAN 2O23 ho tontosaina any Côte d’Ivoire.

Taorian’ny fametram-pialanan'ny coach Nicolas Dupuis, izay teknisianina nametraka ireo handrafitra ny ekipam-pirenena Barea A mandritra ny CAN 2023 dia fantatra fa i Romuald Félix Rakotndrabe, na i coach Roro no hisolo toerana azy.

Nitondra avo ny voninahim-pirenena

Raha tsiahivina dia i coach Roro ilay teknisianina malagasy nitondra ny ekipam-pirenenana Barea A’ teo amin’ny laharana fahatelo nandritra ny CHAN notanterahana ny volana Janoary lasa teo tany Algeria. Nahazo ny medaly alimo ny mpilalao malagasy tamin’izany. Vokatra tsara tokoa, satria nitondra avo dia avo ny voninahim-pirenana sy nampiakatra ny lentan’ireo mpilalao malagasy.
Araka ny nambaran’ny federasiona dia efa tsindri-daona handray ny andraikiny izy ary hiara-hiasa akaiky amin’ny mpilalao, ny mpiandraikitra ara-teknika ary ny mpanohana ny ekipam-pirenena malagasy ny tenenany.

Traikefa

« Miady aloha vao mandresy ». Io no fomba fiady entin’ny coach Roro any anatin’ny fametrahana stratejy mahomby, ary izany no ampitainy amin’ireo mpilalao izay entiny. Efa tao anatiny hatrany ny fomba fijery miabo, ary ho azy dia mandeha isaky ny an-tanatohatra ny zavatra rehetra.
Anisany antony iray nisafidianana azy izany fomba fisainana iray izany. Ary inoan’ny federasiona malagasy fa « hanome ainga vao amin’ny fanorenana fototra vaovao ho an’ny ekipam-pirenena ary hanamafy ny fikatsahantsika ny fahombiazana eny ambon’ny kianja » izany fomba fiasany izany.
« Hiaraka hikendry ny fahombiazana isika ary hanao izay rehetra hahatrarana ny tanjona iraisana. » hoy i coach Roro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo