• Cours de change
  • 5190.3 AR
  • |
  • $4458.19 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Sport

CHAN 2024 : Nisitraka mariboninahitra sy fankasitrahana ireo mpilalao sy tompon'andraikitra

01/09/2025 20:10 © Moov

Tontosa ny takarivan'ny alatsinainy 1 septembra ny fandraisana ara-pomba ofisialy ireo mpilalao sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny voakasiky ny CHAN 2024, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Raha tsiahivina, nigadona teto an-tanindrazana omaly alahady 31 aogositra ny ekipam-pirenena Malagasy niatrika ny lalao CHAN 2024 tany Kenya. Tamin'izany indrindra no nampanantenan'ny Filohampirenena Andry Rajoelina Trano raitra na Villa, izay haorina eny amin'ny faritry ny Lalambe migodana, izany hoe eo anelanelan'Ambodifasina sy Talata Volonondry.

Lanonana ara-panjakana

Tamin'ity androany ity, fankasitrahana tamin'ny fomba ofisialy no notanterahina. Notolorana mari-boninahi-pirenena ireo mpilalao sy ny mpanazatra : Officier de l'Ordre National na Chevalier de l'Ordre National. Nahazo tombony manokana ireo mpilalao avy amin'ny Tafika Malagasy miisa 3, ka ny roa nahazo galona, ary ny iray nahazo taratasy fampidirana azy ho mpitandro filaminana raikitra. Nampiakarina ho “ sous# Brigadier ” i Rado ary Toky kosa nampiakarina “Caporale ” ary Garol kosa nahazo rangagement Miaramila.
Koa satria matevina tokoa ny valisoa na "prime", tsy tafiditra ao anaty valopy izany ka natao tanaty baoritra. Mendrika lelavola matevina tokoa ny ekipa Malagasy noho ny ezaka nataon'izy ireo : nanome ny tsara indrindra izy ireo sady natanja-tsaina hatramin'ny farany na mafy aza ireo ady nolalovana.

Fampiroboroboana ny Baolina Kitra

Miezinezina ny fandresen'i Madagasikara tamin'ny nahafahana nandray anjara tamin'ny lalao famaranana CHAN 2024. Manana ekipa mahay tokoa mantsy raha i Maroc. Nahafapo tanteraka nefa ny voka-dalao satria isa iray monja no nanelanelana ny mpifanandrina. Nampitolagaga ireo matihanina maro ny fahaizan'ireo mpilalao Malagasy, araka ny nohamafisin'ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Filohan'ny FMF. Etsy ankilany, manana vina lavitra ny Filohampirenena ka dieny izao dia homanina ny CHAN 2027.
Hisitraka "bourse professionnelle" ireo mpilalao, mba hisitrahany vola isam-bolana, ka hifantohany tanteraka amin'ny Baolina Kitra. Dingana lehibe ho an'i Madagasikara izany, mba hihamaro hatrany ireo mpilalao tena matihanina sy sahy mifanandrina eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Lire la suite

Articles Similaires