• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Actiz
Image
Médecine & Santé

Fahasalamana : Ireo fikafika hanalana « stress »

17/01/2023 15:01 © Moov.Mg

Fantataro fa azo sorohina sy atrehina soa aman-tsara ny « stress ». indreto misy hevitra vitsivitsy natao ho anao hialanao amin’ny stress.

Rehefa reraky ny asa, ny fianarana sy ny rotorotom-piainana iny matetika dia mora stressé ny olona iray. Maro anefa ireo voka-dratsy azo avy amin’ny stress raha tsy hiteny fotsiny ireo aretina maro isan-karazant toa ny areti-po, ny aretim-bavony, ny « dépression », sns. Tsy tomombana ihany koa ny asa sy ny zavatra atao rehetra rehefa be loatra ny stress. Ireto ary misy toro-hevitra vitsivitsy hialan’ny stress aminao.

Fanatanjahantena

Ny fanatanjahantena dia zava-dehibe tokoa ho an’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina. Manampy anao hanala ireo karazana harerahana ara-tsaina sy ara-batana izany. Azonao atao tsara ny manao dian-tongotra mandritry ny 30 minitra rehefa faran’ny herinandro iny. Azonao atao ihany koa ny manao yoga mba hilaminan’ny sainao sy ny vatanao.
Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ireo haiady maro isan-karazany raha toa ka efa mpandala izany ianao. Ny fiarahanao amin’ireo namanao sy ny fahafoizanao fotoana amin’ny fanatanjahantena dia hanampy anao hampihena ny stress-nao.

Misakafo ara-dalàna

Zava-dehibe tokoa ny fihinana sakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana. Raha ny torohevitry ny mpitsabo dia tsara mihinana voankazo sy legioma karazany dimy isan’andro ny olona iray raha te ho salama. Miantoka ny fihenan’ny stress amin’ny vatan’ny olona iray mantsy ny fahasalamana.
Ny fisotroana rano ara-dalàna ihany koa dia mampihena ny stress. Manampy ny vatanao hiasa araka ny tokony ho izy izany, izay zava-dehibe tokoa ho an'ny filaminan-tsainao.

Mihaino hira

Anisan'ny fialamboly mahomby iadiana amin'ny stress ny fihainoana hira. Azonao atao tsara ny maka fotoana ihainoana hira milamina rehefa ao ampiasaina iny. Na 15 minitra fotsiny aza dia efa ampy hanenanao ny stress ao aminao. Tandrovy ihany kosa anefa ny fiaraha-monina. Mampiasà écouteurs mba tsy ianao indray no hanelingelina ireo mpiara-miasa aminao ka hiteraka stress ho azy ireo.

Ary farany, ny tsy fahampian'ny torimaso dia miteraka fahakizitinana sy stress ihany koa. Ilaina noho izany ny matory adiny valo isan-kalina mba hialàna amin'ny fahasorenana mety ateraky ny tsy fahampiana torimaso. Fa ambonin'izany rehetra izany, dia ankafizo ny fotoana rehetra. Aza laniana amin'ny resaka olana ny herinao fa afantohy amin'ny fitadiavana vahaolana sy zavatra mahasoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo