• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Nationale

Antenimieran-doholona : Nankatoavina anio ny volavolan-dalàna faha 002/2023 tamin’ny 15 martsa 2023

25/05/2023 17:22 © Moov.Mg

Taorian’ny nandinihan’ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola, Toekarena sy Fampandrosoana Lovain-jafy eo anivon’ny Antenimieran-doholona ilay volavolan-dàlana dia niroso tamin’ny fandaniana izany ireo loholona anio.

Neken’ny antenimieran-doholona ilay volavolan-dalàna

Nodinihina sy nolaniana anio 25 mey, nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehana ny volavolan-dalàna laharana faha 002/2023 tamin’ny 15 martsa 2023. Izany dia manome alàlana ny fankatoavana ny fifanarahanaa findramam-bola mifandraika amin’ny famatsiana ny « Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo, 2ème phase (PIAA2) » izay nifanaovan’i Madagasikara sy ny « Agence Française de Développement » (AFD).
Nandray anjara tamin’ny fotoana ny filohan’ny Antenimieran-dolona, ireo loholona, izay tsy iza fa ireo nandrifitra ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola, Toekarena sy Fampandrosoana Lovain-jafy. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo teknisianina avy eo anivon’ny governemanta. Ireto farany dia notarihin’ny ministry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Fidiniavo Ravokatra.

Fanazavana fanampiny mahakasika ilay volavolan-dalàna

Raha ny mikasika io volavolan-dàlana faha 002/2023 dia nisy ny fanampim-panazavana izay natao. Nanamafy ny minisitra fa laharam-pahamehana ny telo amin’ireo vokatra andrasana amin’ireo « composante » mandrafitra ny tetikasa. Ny voalohany sy ny faharoa dia mahakasika ny fanatsarana ny fivarinan-drano, toy ny fifehezana ny fiandronan’ny rano maloto alohan’ny ahatongavany any amin’ny farihin’Anosy sy ny ranon’orana manodidina ny kianjan’ny Barea. Ny fahatelo kosa dia miompana amin’ny fametrahana ny atao hoe ovoïde izay mandalo amin’iny Analakely (arabe zaimaika), Antanimena, Ankazomanga ary manjohy ny « canal » Andriatany iny. Ny asa hafa kosa dia mbola ilàna fandinihina ary miankina amin’ny zava-misy no handraisana izany.
Tsara ny manamarika fa miompana amin’ny asa fanatsaràna ireo fotodrafitrasan’ny fanadiovana sy entina hifehezana ny voka-dratsy sy ny faharetan’ny tondra-drano ary hanatsaràna ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny mponina ity tetikasa ity. Ny « Commune Urbaine d’Antananarivo » (Grand Tana) sy ireo kaominina 37 manodidina no hisitraka izany.
Aharitra dimy taona ny tetikasa, ary olona miisa 2 300 000 eo ho eo no hahazo tombo-tsoa. Fantatra ihany koa fa ny Agence d’aide au développement (AFD) an’ny governemanta frantsay no anisany hamatsy vola ny fanatanterahana ity asa ity. Vola mitentina 53 000 000 euros no heverina ho ampiasaina amin’izany, koa ny 35 000 000 euros amin’io dia fampidramam-bola avy amin’ny AFD. Ny 8 000 000 euros dia fanomezana avy amin’ny Union Européenne, raha toa ka volan’ny fanjakana malagasy ny 10 000 000 euros.
Ny fankatoavana sy ny fanatanterahana io volavolan-dàlana io dia fomba iray ahatrarana ireo tanjona napetraky ny filoha tao anatin’ny velirano, hoy ny ministra. Endrasana noho izany ny fanombohana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo