• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Sitenyr
Image
Nationale

Siteny Randrianasoloniaiko : Nisy sakana ny MIHAVA TOUR tao Tsiroanomandidy

17/03/2023 22:34 © Moov.Mg

Nitsidika an'i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny depiote Siteny Randrianasoloniako androany. Nahavory vahoaka aman'aliny ny tenany na dia nosakanana tamin'ny fomba maro samihafa aza.

Nihaino ny vahoaka tao Tsiroanomandidy indray ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko androany. Na dia andro fiasana aza ny andro anio dia tsy nahasakana ny fahatongavan'ny vahoaka maro dia maro izany. Nifandimby nandray fitenenana moa ireo solontena ka voalaza tamin'izany ny fahoriana manjo ny mponina ao Tsiroanomandidy.
Ady sarotra vao tanteraka ny hetsika anio, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsy azon'ny mpikarakara natao mantsy no nandefa fampilazana tamin'ny haino aman-jery. Nandrisika azy ireo depiote tany an-toerana ny amin'ny hilatsahany ho fidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo