• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Culture

BODO : Mankalaza ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra

18/05/2023 06:58 © Moov.Mg

Kaonseritra fisaorana sy fiderana miavaka no nanokafan'i Bodo ny fankalazana ny "35ème anniversaire de scène". Mpitendry zava-maneno sy "chorale" maro no nanaingo ny hirany tao amin'ny EKAR Antanimena.

Alarobia 23 may 2023. 6 ora hariva. Ry foko mitonia, Isaoranay Ianao, saikaiza tsara, valim-bavaka, ... Nanakoako ireo hira nahafantarana an'i Bodo nandritra ny taona maro. Antsan-kira fiderana no nanokafany ny fankalazana ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra na ny "35 ans de scène". Notanterahina tao amin'ny ECAR Antanimena ny fampisehoana. Nanotrona azy tao moa ny mpanakanto Rojo Ny Avo, Luc, Via sy ny vondrona VHF. Tsy adino ihany koa ireo "choeurs" miisa 2000 mahery, izay nampiombona ny Vox Angeli Vivace, STK Tia Andraisoro, STK Antema Fahazavana sy Kerobima Ankatso. Nanodidina ny 1500 ireo mpankafy namaly ny antso.

35 taona feno fitahiana

Ny taona 1988 i Bodoharisoa Razafindrazaka (Bodo) no nanomnoka nihira teny imasom-bahoaka. Tsy niandry ela akory dia nalaza ny tenany. Taty aoriana, nahazo ny solon'anarana hoe "Diva" mihitsy moa izy. Anisan'ny nahafantarana an'i Bodo ihany koa ny naha-mpikambana azy tao amin'ny tarika "Vavaka Hira Fiderana" (VHF).
"Nifandimby ny tsiky, ny tomany, ny ranonando, ny oram-baratra, ... " hoy i Bodo omaly. Tsy mora tokoa hoy izy ny niatrika izany 35 taona izany, na tamin'ny fianana maha-mpanakanto azy na tamin'ny fiainany manokana. Saingy na misy aza ny tranga manahirana sy ny famoizana havan-tiana dia natao hahamafy orina ny finoana avokoa ireny. Anisan'ny hira tena tiany sy nanampy azy hitraka ilay hoe "Valim-bavaka". Matetika tokoa mantsy isika olombelona no mangataka zavatra amin'Andriamanitra, nefa tsy voatery mivaly eo no ho eo izany fa amin'ny fotoany.

Ity taona 2023 ity no ankalazana ny "35 ans de scène". Hisy araka izany ireo fampisehoana miavaka anamarihana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo