• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fiompiana : Nametahana kavina elektronika sy kavina tsotra miisa 20 000 ireo biby fiompy tao Ampanihy sy Betioky

09/04/2025 11:35 © Moov

Fampidirana ny teknoloja eo amin’ny lafiny fiompiana eto Madagasikara. Nametahana kavina elektronika sy kavina tsotra ireo biby fiompy samihafa tao amin'ny distrikan’Ampanihy sy Betioky, Faritra Atsimo Andrefana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa Défis Minae Fida, izay vatsian’ny Fonds international de développement agricole (FIDA) vola izany.

Hidirana amin’ny sehatra matihanina

Biby fiompy madinika, toy ny ondry sy osy no nametahana ireo « boucles électroniques pré-imprimées" miisa 10 000 sy kavina tsotra miisa 10 000 ireo, ihany koa. Natao indrindra izany mba hahafahan’ireo mpiompy miditra amin’ny sehatra matihanina. Izany hoe, ireo fitaovana ireo no entina hanaraha-maso ny fivoaran’ny biby sy ny fivezivezeny ary hijerena ny fahasalamany mba hahafahan’ireo biby ireo mivoatra araka ny tokony ho izy. Tanjon’izany rahateo ny hanampy amin'ny fidiran'ny mpiompy amin'ny varotra anatiny sy ivelany, ary hanamora ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Tsara ny manamarika fa ny biby fiompy salama sy manana ny kalitao takiana no tian’ireo mpanjifa ka fitaovana entina hahatongavana amin’izany tanjona izany ireto napetraka ireto.
Raha tsiahivina dia fomba entina hampivoarana ny fiompiana izy io ary efa napetraka nanomboka tamin’ny taona 2021. Efa miparitaka amin’ny faritra maro samihafa ny tetikasa, izay fahombiazana hatrany, raha ny fanazavan’ireo mpiompy.

Fanohanana stratejika

Nifanindran-dalana tamin’ny fametahana ireo kavina dia nisy ny fifanarahana nosoniavina teo amin’ny fandaharan’asa DEFIS sy ny veterinera na mpitsabo biby any an-toerana. Hanome fitsaboana maimaim-poana ho an'ny biby fiompy madinika mandritra ny herintaona izy ireo ao anatin’izany. Anisan'izany ny vaksiny, ny fitsaboana hiadiana amin’ny bibikely samihafa ary ny fanampiana amin’ny vitaminina, ary indrindra hikendry ny hiantoka ny fahasalaman'ny biby amin’ny ankapobeny.
Tetsy ankilany moa dia nomena fiofanana ireo veterinera sy ny solontenany isam-pokontany mba hahazoana antoka ny fampiharana ny rafitra mikasika ny fampiasana ireo kavina ireo.

Lire la suite

Articles Similaires