Androy : Ray aman-dreny miisa 300 notolorana fiofanana mba hialana amin’ny fampanambadiana aloha loatra ny zanany
Nitsidika ny faritra Androy, toy ny efa nataony tamin’ireo faritra maromaro ny Minisitra ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa (METFP). Namaranany ny diany tamin’izany ny fitsidihina ny ivon-toerana « Azafady Babako ». Ray aman-dreny miisa hatramin’ny 300 no nanaraka fiofanana tao amin’io toerana io. Tanjon’izany dia ny mba hanampiana azy ireo amin’ny fidiram-bolany.
Fanoitra amin’ny olana ara-tsosialy isan-karazany
Isan’ny fomba sy fisainana mbola mitoetra any amin’iny faritra iny ny fampanambadiana mialoha ny ankizy vavy, mba tsy ho vesatra amin’ny fiainana andavan’andron’izy ireo intsony. Tsy ampy mantsy ny vola ka izany no mahatonga ireo zanany ho lasa vesatra ho azy ireo. Izany indrindra no antony voalohany hanomezan’ny ivontoeram-pampiofanana « Azafady Babako » fampiofanana ireo Ray aman-dreny. Entiny hanampiany ny vola miditra eo aminy izany, ka hahafahany miahy hatrany ny zanany. Etsy andaniny dia entina hiarovana ny zon’ireo ankizy vavy ireo ihany koa izany fampitomboana ny vola miditra izany.
Marihina fa miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa voizin'ny « Azafady Babako » ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak'asa (METFP), ny Ministeran'ny Mponina sy ny Firaisan-kina (MPS), ary ny Fonds d’Intervention pour le Développement (FID). Notsipihin-dRamatoa Minisitra nandritra ny lahateniny fa fandresena ho an’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ny tetikasa toy izao.
Fampiofanana mivelatra amin’ny sehatra samihafa
Miisa 300 ireo Ray aman-dReny avy ao amin'ny fokontany Betsimeda, kaominina Maroalomainty, niofana. Nandray fahalalana momba ny fanamboarana savony, mofomamy fanefena, fandrariana, zaitra, sy ny sisa, izay hanampy azy ireo hahazo fidiram-bola maharitra, izy ireo. Tetsy andaniny dia mbola notolorana fitaovana ihany koa izy ireo ahafahany manomboka asa avy hatrany. Tao anatin’izany ny milina fanjairana, vondrona mpihary herinaratra ary fitaovana fanaovana “soudure”.
Nisy vehivavy ihany koa tamin’ireo nahazo fiofanana ireo nomarihin’ny Minisitra fa: « Efa nahavita dingana lehibe ianareo vehivavy sy zazavavy, ka aza mihemotra intsony. Ianareo izao no modely ho an'ny vehivavy eto Madagasikara, mpandresy ianareo ». Teny entina nanentanana azy ireo tsy hiditra amin’ny fanambadiana aloha loatra rahateo izany.