Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 31 marsa hatramin'ny 6 aprily 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 31 marsa hatramin'ny alahady 6 aprily 2025
Taombaovao Malagasy # Nahitana ireo fomba malagasy tranainy teny Ambohimanga
Nitohy ny alatsinainy 31 marsa lasa teo ny fankalazana ny Taombaovao Alahamadibe, teny Ankazomalaza Ambohimanga. Niavaka ny fandaharam-potoana, noho ny nanatanterahana fomba malagasy maro. Ny fidiovana no nialoha ny hetsika rehetra, ka samy namonjy ireo rano fandroan'ireo mpanjaka teo aloha ireo mpanotrona. Nisy avy eo ny fanolorana hasina, mba hikarakarana ny toerana. Rehefa vita izany dia niditra tamin'ny dihin'ny Ntaolo, izay nahitana vaky sôva sy dihy tsotsotra, niantsoana ny fanahin'ireo zanahary sy ireo razan'ireo Mpanjaka. Namaranana ny fankalazana ny Joro, izay ny famonoana omby no tena nanamarika izany.
Kolontsaina # Ho tonga eto Madagasikara ny kabeson'ny Ampanjaka Toera
Ny 3 aprily lasa teo, nivoaka tao amin’ny tranokalan’ny Repoblika Frantsay sy tao amin’ny « Gazetim-panjakanan'ny Repoblika Frantsay » ny didim-panjakana mamerina amin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo miaramila roalahy niaraka taminy. Raha ny fandaharam-potoana,amin'ny volana aogositra indray vao ho tonga eto Madagasikara ireo kabeso miisa 3, ary hisy ny lanonana makotokotroka sy fomban-drazana mifanandrify amin'izany (Tsiritsy). Saika tamin'ity volana Aprily ity no nandraisana ireo Kabeso ireo, saingy "tsy fanaovan-draha" ny vanim-potoana toy izao amin-dry zareo Sakalava.
Efa natolotry ny fianakaviana ny ekipan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny vata vita tamin'ny hazo NATO avy any Belo Tsiribihina miisa 3. Marihana fa io hazo Nato io dia natokana ho fanamboarana vata-paty ho an'ny Mpanjaka Sakalava Menabe.
Vidin-tsolika # Miakatra hatrany ny vidin'ny Pétrole
Nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny fampiharana ny "Mécanisme d'Ajustement Automatique des Prix", fepetra notakian'ny FMI amin'ny fampindramam-bola ho an'i Madagasikara.
Tsy nisy fiovana ny vidin'ny "Essence SP 95" satria nijanona ho 5 320 ar/l izany. Nijanona tamin'ny teo aloha ihany koa ny vidin'ny Gasoil, ka mbola jifaina 4 970 ariary hatrany ny litatra. Ny solika fandrehitra kosa, lasa 3 030 ar/l ny vidiny raha mbola 2 830 ar/l teo aloha. Nahitana fiakarany hatrany ny Pétrole tamin'ity 2025 ity : 2 430 Ar/l ny volana janoary, 2 630 Ar/l ny febroary, 2 830 Ar/l ny 5 marsa ary 3 030 ar/l ny aprily.
Angovo # Pacte Energétique ho an'i Madagasikara
Nisy ny fivoriana handrindrana (réunion de coordination) ireo dingana manaraka rehetra ho fanatanterahana ny "Pacte National Energetique" ho an'i Madagasikara. Tanjona lehibe apetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy no ho tratrarina, dia ny fampitomboana avo roa heny ny tahan'ny vahoaka misitraka herinaratra amin'ny taona 2030, amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina.
Tsiahivina fa noho ny nanaovan-tsonia ny fifanarahana amin'ny angovo, na "Pacte National Energétique" ho an'i Madagasikara tamin'ny fihaonambe M300 tany Dar Es Salaam, Tanzanie, no angady nananana izany. Efa maro ireo mpanohana ny Fandaharanasa M300 ka anisan'izany ny AFD, ny Banky iraisampirenena, ny FMI ary ny Vondrona Eoropeanina.
Fitaterana an'habakabaka # Nahazo fiaramanidina fanampiny ny Madagascar Airlines
Niampy indray ny fiaramanidina ampiasain'ny kaompania Madagascar Airlines amin'ny fitaterana an'habakaka eto Madagasikara. Tongasoa teto Madagasikara ny 2 aprily lasa teo ny ATR 72-600. Hitombo ny sidina anatiny satria lasa 5 izany ny fiaramanidina miasa, sady tsy voatery hiainga sy hiverina eto Antananarivo. Hisy mantsy ny sidina mampifandray faritra roa, samy ivelan'Antananarivo.
Tafiditra ao anatin'ny tetikasa fanarenana io orinasam-pitaterana an'habakabaka io izao fahazoana fiaramanidina izao.
Tranomboky Monisipaly Analakely # Nanolotra boky miisa 300 ireo Japoney
Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny firenena Japoney ho fanohanana ny Kolontsaina sy ny vaky boky eto anivon'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra. Nanolotra boky miisa 300 ho an'ny Tranomboky Monisipaly Analakely ny Firenena Japoney amin'ny alalan'ny Masoivohony miasa eto Madagasikara, ny alarobia 2 aprily lasa teo. Tao anatin'izany boky izany dia nisy boky mirakitra ny tantara sy ny Kolontsaina Japoney izay nadika tamin'ny teny Frantsay. Nanambara ny Ben'ny Tanànan' Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe ny vaky boky ahafahana manovo fahalalana sy manampy amin'ny fanabeazana.
Fonjan'Antanimora sy Anjanamasina # Fanomezana Fitaovam-pianarana sy fanadiovana
Nisitraka fanampiana avy amin'ny "Humanité et Inclusion" ireo voafonja tsy ampy taona eny Antanimora sy ireo ankizy tsy ampy taona beazina eny Anjanamasina. Nahitana fitaovam-pianarana toy ny cahier, stylos, taratasy, crayon de couleur ny fanomezana. Nisy ihany koa ny fitaovana fanadiovana toy ny kofafa, eau de Javel, vovon-tsavony, sns. Nandray izany fanomezana izany ny teto amin'ny Fitaleavamparitry ny Fandraharahana ny Fonja Analamanga sy ireo mpandraharaha ny fonja ary ireo tompon'andraikitra avy eny Ambohidratrimo.
Ireo fitaovana ireo dia manampy amin'ny fanabeazana sy fanatsarana ny fepetra ara-pahasalamana ao amin’ny fonja, izay tena ilaina ho an’ny fanarenana amin’ny fomba mendrika.
Antananarivo # Fankalazana ny andro manerantany ho an'ny Toetry ny andro
Ankalazaina isaky ny 23 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny Toetry ny Andro. Ho an'i Madagasikara, « Andao hiaraka hanarina ny lesoka amin’ny fampitandremana mialoha » no lohahevitra nodinihina. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 01 Aprily izany fankalazana izany ,izay teo ambany fitarihan'ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro.
Nisy ny fifanaovan-tsonia mpiaraha-miasa teo amin'ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro sy ny WWT ary ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro sy ny PNUD .
Toamasina # Nisy mpianatra matin'ny Fitsarambahoaka
Mafana fo amin'ny fitandrovana ny fandriampahalemana ny mponina ao Toamasina. Nisy ireo tsy nahafehy fihetseham-po ka nandratra mpianatra iray, tao Verrerie, ny harivan'ny talata 1 aprily lasa teo.
Nisy lehilahy nisintona findain'olona nitsoaka, ka voaendrikendrika ho namany ilay tovolahy 19 taona tamin'ny toerana nolalovany. Niezaka nanazava ilay tovolahy fa tsy olon-dratsy. Tsy nihaino ny fanazavany nefa ireo olona nitangorona ka nidaroka azy, ary niafara tamin'ny fahafatesany izany. Mbola hita teny an-tanan'ny maty moa ny boky fanomanana bakalorea izay nalainy tany amin'ny namany tamin'io andro io. Nanao antso avo ny hijerena manokana izao tranga izao ireo ray aman-dreny sy fianakavian'ny maty.
Vakinankaratra # Tontosa ny Trail Ibity andiany faha-9
Omaly alahady 6 aprily no nanatanterahana ny Trail Ibity 2025. Teny amin'ny faritra arovana "Mont Ibity", Vakinankaratra, no nanatanterahana ny hetsika. Nizara sokajy 3 ny mpihazakazaka miisa 1 700 : 3 km, 15 km sy 31 km. Marobe ireo ankizy nandray anjara tamin'ny sokajy halavirandalana 3 kilometatra.
Ny vola rehetra azo dia atolotra ny "Maison de la nutrition Ibity", izay manampy ankizy mihoatra ny 300 isan-taona. Ity hetsika ity izany dia nanambatra ny fanatanjahantena tamin'ny fizahantany sy ny asa soa.
Ihosy # Fandrotsahana zana-trondro tao Ambatolahy
Notanterahin'ny avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe, ny 31 marsa, ny fandrotsahana zanatrondro tao amin'ny ranovory iray ao amin'ny Fokontany Manamisoa, Ambatolahy. Zanatrondro karpa miisa 530 sy tilapia miisa 1200 no narotsaka tao amin'ity ranovory mirefy eo amin'ny 2Ha eo ity raha voadio sy afaka tsara ireo zavamaniry ao anatiny, izay nanomezana toromarika ny hanadiovana azy fa lasa mangatsiaka ny rano.
Marihina fa eo ambany fifehezan'i komandin'ny "Bataillon d'infanterie Ihosy" ny toerana fiompiana trondro ka azo antoka ny fitandremana azy.
Fanotofana tany tsy ara-dalàna # Hentitra ny fanaraha-maso
Hentitra ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny APIPA amin'ny fanaraha-maso ny fanotofana tany. Nandritra ny fotoam-pahavaratra teo mantsy, nitombo ireo faritra dibo-drano, noho ny fahatsentsenan'ny fivoahan'ny rano.
Tamin'iny herinandro iny, sarety maromaro no tratra nitaona ranontany saika hanontofana tany teny Ankasina, Rond Point Maki. Nampanantsoina ny olona nampaniraka azy ireo.
Matetika dia eny amoron'Ikopa sy By-Pass iny no tena hahitana fanotofana tany tsy ara-dalàna. Mitohy araka izany ny fitsirihana ataon'ireo tompon'andraikitra.
Tarika Zazakanto # Nodimandry i Thierry
Nindaosin'ny fahafatesana i Thierry, mpikambana ao amin'ny Tarika Zaza Kanto.Niezaka nanavotra ny dadatoany tanaty rano no nahafaty an'i Thierry androany. Raha ny angom-baovao dia nanao fisasana ho fialana loza teny Ampasika izy sy fianakaviany, noho ny fahalasanan'ny nenitoany. Latsaka tampoka tanaty rano nefa ilay dadatoany ka rehefa nanavotra azy i Thierry no niaraka rendrika tao izy mianaka ka samy maty. Olona 3 be izao izany no namoy ny ainy tao anatin'ny herinandro tao amin'ny fianakavian'i Thierry.