• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

Trail Ibity 2025 : Fanatanjahantena, fizahantany, asa soa

06/04/2025 16:47 © Moov

Tontosa soa aman-tsara androany alahady 6 aprily ny Trail Ibity andiany faha-9. Niisa 1 700 ireo mpandray anjara.

Fahombiazana tanteraka ny Trail Ibity 2025, tany amin'ny faritra Vakinankaratra. Aman'arivony ireo mpandray anjara, izay nizara sokajy telo arakaraka ny halaviran-dalana : 3 km, 15 km ary 31 km. Maromaro ireo mpandresy satria nisy 6 isaky ny sokajy, lahy sy vavy. Tamin'ny sokajy 3 kilometatra, maromaro ireo ankizy nandray anjara, izay eo ho eo amin'ny 10 taona ny salan-taona.

Fitsidihana toerana voaaro

Anisan'ireo toeram-pizahantany miavaka eto Madagasikara ny ao Ibity. Nandritra ny hazakazaka, samy nahita zava-baovao ireo mpandray anjara. Andalovana avokoa mantsy na trano gasigasy na tanimbary na tanimboly, izay tsy fahita eto an-drenivohitra. Nanome hery ireo mpihazakazaka ihany koa ny fahitana ny tontolo maitso mavana sy ny fisitrahana rivotra madio. Ny feon-drano nitsotsorika avy eny ambony no nandravaka ny dia. Madio tokoa ny rano ka nanararoatra nisotro sy nanasa tarehy tamin'izany ireo mpihazakazaka, indrindra fa mideza ny lalana naleha niakarana tendrombohitra lehibe.

Ho fiarovana ny tontolo iainana, nisy ny fametrahana daba-pako teny anivon'ireo lalana nadalovan'ireo mpandray anjara.


Copyright Image : © Yas Madagascar

Ady amin'ny tsy fahampian-tsakafo

"Levée de fonds" na fanangonam-bola no tena tanjon'ny Trail Ibity 2025, nokarakarain'ny Alpha Ciment, notohanan'ny Yas Madagascar. Ny vola rehetra voaangona dia entina anaovana asa soa. Ireo ankizy sahirana no hisitraka fanampiana tsy ho ela, ho fandraisana anjara amin'ny ady amin'ny tsy fahampian-tsakafo eo amin'ny ankizy na "malnutrition infantile". Tsy very maina araka izany ny fampiasam-batana nataon'ireo mpandray anjara rehetra satria nentina nanohanana tetikasa sosialy izany.
Nanome toky ireo mpikarakara fa Mbola hitohy hatrany ny Trail Ibity, ka ho hiatrehana indray ny andiany faha-10 amin'ny taona 2026.


Copyright Image : © Yas Madagascar

Lire la suite

Articles Similaires