Lozam-pifamoivozana teny Ambohimangakely : Nisy nangalatra ny sakosy misy volaben'ireo niharan-doza
Mpivady vao erotrerony no namoy ny ainy teny Ankadidambo Ambohimangakely ny alin'ny 3 aprily lasa teo. Potika tanteraka ny fiara 4L nentin'izy ireo, ary nisy nangalatra ihany koa ny sakosy nisy vola sy basy fiarovantena.
Ny alin'ny 3 aprily tamin'ny 10 ora alina mahery 10 minitra teo ho eo no nitranga ny loza. Nisy kamiao "semi-remorque" nifoaka ny fiara 4L kely, izay nisy olona roa hamonjy fodiana tao anatiny. Nipitika ikay fiarakely, ka mbola notatazan'ny kamiao hafa indray. Nosokirina mihitsy ireo mpivady tao anatiny. Efa tsy nisy aina intsony izy ireo tamin'ny nanalan'ny fokonolona ny vatany avy tao anaty fiara. Araka ny nambaran'ny fianakaviana, samy tapaka taolana maromaro izy roa ireo. Nitsoaka moa ilay fiarabe nahavanon-doza (ilay nandona voalohany), ary efa tany Ambatolaona vao tratran'ny zandary.
Fanararaotana
Manana ny orinasany manokana izy mivady niharan-doza. Misehatra amin'ny "offshoring" izy ireo ka nanana karazana "call center" kely mihitsy. Avy naka vola handoavana ny karaman'ireo mpiasa izy ireo tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Nandritra ny fisokirana ny vatan'izy ireo tao anaty fiara, na nandritra ny nitondrana azy ireo tany amin'ny hôpitaly, no heverina fa nisy nangalatra ilay sakosy nisy vola. Nanamarika ihany koa ny fianakaviana fa nisy basy tao anatin'ilay fiara, izay misy taratasy ara-dalàna ny fitazomana azy.
Nanana tetikasa mipetrapetraka tokoa ireo mpivady ireo, izay samy 33 taona. Nikasa ny handeha any ivelany mihitsy aza izy ireo. Araka ny fandaharam-potoana napetraky ny fianakaviana, rahampitso alahady 6 aprily no hanatanterahana ny fandevenana, eny Ambohimangakely ihany.
