Fifandraisandavitra : Nahazo Yas Store i Ambovombe Androy
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 3 aprily ny Yas Store Ambovombe, eny amin'ny Radio Cactus.
Manantona hatrany ireo mpanjifany manerana ny Nosy ny tambazotra Yas Madagascar (Telma teo aloha). Tsy ny renivohi-paritany ihany no ahitana Yas Store, fa eny anivon'ireo toerana sarotra sy lavi-dalana ihany koa. Porofon'izany ny fanokafana ny Yas Store Ambovombe Androy, any atsimon'ny Nosy.
Tolotra mitovy manerana an'i Madagasikara
Mitovy avokoa ny vidin'ireo tolotra sy entana isan-karazany jifaina eny anivon'ireo Yas Store rehetra manerana ny Nosy. Na dia toerana lavitra ny renivohi-paritany tokoa aza i Ambovombe Androy, tsy misy vola aloha amboniny, na fahana na finday no vidiana.
Misy ny finday, ny "puce"/ carte SIM, fitaovana isan-karazany hahazoana aterineto sy MBalik, tahaka ny Yas Store rehetra ihany, io toeram-pivarotana ao Ambovombe Androy io. Azon'ireo mpanjifa atao tsara ny manao fitarainana na mametraka fanontaniana, raha sendra misy fahasarotana amin'ny fampiasana ireo tolotra samihafa. Misy toerana natokana ho an'ny fametrahana sy fangalana MVola ihany koa io Yas Store io.
Ora fisokafana : alatsinainy hatramin’ny asabotsy : 8 ora # 12 ora, 2 ora # 6 ora hariva