• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Pm
Image
Vaovao

Lapan’i Mahazoarivo : Novorian’ny praiminisitra ireo Jeneraly 35 vao nisondrotra galona

25/02/2025 09:46 © Moov.Mg

Taorian’ny fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra nahazo ny laharam-boninahitra « Général de Brigade » miisa 22 sy « Général de Division » miisa 13 tamin'ny taona 2024, izay notontosaina ny 17 febroary 2025, dia namory azy ireo, omaly, ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo.

Laharam-pahamehana ny fandriampahalemana

Fihaonana arak’asa ity notanterahina omaly 24 febroary 2025 ity, ka tanjona lehibe tamin’izany ny fametrahana fandriampahalemana maharitra manerana an’i Madagasikara. Noho izany indrindra, dia nampahatsiahy an’ireto Jeneraly 35 isa vao nisondrotra galona ireto ny praiminisitra Ntsay Christian fa manana adidy sy andraikitra goavana izy ireo « hiatrehana miaraka ny fanamby lehibe mifantoka amin’ireo ezaka rehetra hitondrana fanovana lalina amin'ny fitantanana ny Firenena ». Napetraky ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ny famongorana ireo fomba amam-panao ratsy manohintohina ny fiainam-bahoaka, sy ny famaliana ny hetahetan’ny mponina amin’ny fanatevenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, na an-tanàn-dehibe izany, na eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Fampandrosoana ny firenena

Soatoavina telo lehibe no mibaiko amin’ny fitondrana fampandrosoana mivantana amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny praiminisitra, dia ny fahitsiana, ny fahaiza-manao, ary ny fitiavan-tanindrazana. Tokony ho hita taratra amin’ireto manamboninahitra Jeneraly ireto izany, satria manana adidy izy ireo handavorary ny fitantanana ny firenena, araka ny namarany.

Nitarika ity fivoriana ity ny praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, sy ny komandin'ny Zandarimariam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires