• Cours de change
  • 5138.92 AR
  • |
  • $4425.46 AR
Copyright Image : © Yas
Image
Vaovao

Afrobasket 2025 : "Qualifié" ny ekipam-pirenena Malagasy !

22/02/2025 22:16 © Moov

Vaovao tsara ho an'ireo mpitia basikety. Tafakatra amin'ny Afrobasket 2025 ho tontosaina any Angola ny Ankoay, ekipam-pirenen'i Madagasikara.

Fandresena goavana

Saika very fanantenana ireo mpitia basikety omaly. Tena natanjaka tokoa mantsy ny ekipan'i Côte d'Ivoire, sady somary betsaka ny elanelan'isa tamin'ny naharesen'i Madagasikara. Androany nefa, andro faharoa amin'ny fifanintsanana, fandresena no azo, na dia efa saika raraka indray aza ny Ankoay. Tery dia tery ny isa nisarahana tamin'i Egypta satria 82 # 80. Noho izany àry dia anisan'ireo firenena handray anjara amin'ny Afrobasket 2025 i Madagasikara. Nanamora ny lalan'ny Ankoay ihany koa moa ny fandresen'i Côte d'Ivoire tamin'ny isa 100 noho 76 an'i Centrafrique androany.

Lalao farany

Hifarana rahampitso alahady 23 febroary ny lalao fifanintsanana hiakarana amin'ny Afrobasket 2025, eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Mbola hisy izany ny lalao farany hatrehan'i Madagasikara rahampitso, izay hifanandrinana amin'i Centrafrique. Na ho inona na ho inona vokatra rahampitso dia tsy hanova intsony ireo firenena 3 voalohany ho tafavoaka ity izany. Na izany aza, hanatsara ny isa ny fandresena.
Alefa Ankoay !

Lire la suite

Articles Similaires