Olan’ny famatsiana herinaratra : Tsy maintsy hampiarahana ny angovo avy amin’ny rano, masoandro ary solika
Niverina indray tato ho ato ny fahatapahan-jiro mifandimby, toy ny niseho tamin’ny alina ho an’Antananarivo manontolo. Manoloana izany indrindra dia nilaza ny avy ao amin’ny orinasa Jirama fa lava loatra ny fotoan’ny main-tany ka tsy ampy tosika ny herinaratra avy amin’ny rian-drano. Araka izany, tsy maintsy hampiarahana ny famokarana angovo avy amin’ny rano, masoandro ary solika.
Tetikasa goavana ny famokarana avy amin’ny herin’ny masoandro
Raha ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa Jirama, tamin’ity anio ity dia lava kokoa noho ny isan-taona ny fotoan’ny hain-tany ka mahatonga ny fahatapahan-jiro. « Tamin’ity janoary ity dia herinandro ihany isika no nahazo orana somary betsaka ka tsy nahitana fahatapahan-jiro mihitsy. Efa faran’ny volana janoary isika izao kanefa mbola tsy ampy ny orana », hoy i Ron Weiss. Hamahana izany olana izany, amin’ny ho avy dia ho atsangana ireo toerana mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro. Nomarihiny fa efa tafiditra ao anatin’ny tetibola 2025 ihany koa ny fananganana ireo toerana ireo ho betsaka. « Isan’ny tetikasa lehibe indrindra ao anatin’izany ny eny Ivato izay hamokatra 100MW. Hitondra fanatsarana be ho an’ny famatsiana eto Antananarivo izy io satria hamaha olana rehefa midina ambany ny rano », hoy hatrany ny tenany. Ankoatra io eny Ivato io anefa dia mitohy ihany koa ny fanodinana ireo milina mpihary herinaratra avy amin’ny solika mavesatra.
Mitohy ny fampidirana herinaratra isan-tokantrano
Manoloana izany olan’ny famatsiana izany anefa dia nanome toky hatrany ity Tale jeneraly ity fa hitohy ny fampidirana herinaratra. « Efa betsaka loatra ny olona miandry ny anjarany amin’ny fampidirana herinaratra ka tsy azo atao ny mampitsahatra azy. Miisa 200 000 eo ireo branchement ho atao manerana ny Nosy », raha ny fanazavan’ity Tale Jeneraly ity, hatrany. Isan’ny antony nanomezana ireo fiara be miisa 13, androany, ho an’ny orinasa ihany koa izany. Natao mba hanafainganana ny asa rehetra. Avy amin’ny fanohanan’ny Banky Iraisampirenena sy ny famatsiam-bolany amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny tetik’asa LEAD (Least-Cost Electricity Access Dévelopment) no nahazoana ireo fiara be ireo.