Ma thèse en 180 secondes : Miakatra hatrany ny lentan’ny fifaninanana
Notanterahina omaly tao amin’ny IFM Analakely ny famaranana ny fifaninanana « ma thèse en 180 secondes » karakarain’ny AUF sy ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES). Mpifanandrina miisa 20 sisa no niatrika izany. Manomboka mihamafy ny lalao hoy ny avy ao amin’ny MESUPRES. Nanan-katolotra avokoa ireo mpifaninana ary sarotra ny fitsarana.
Voka-pikarohana mifandray amin’ny fampandrosoana
« Efa mivoatra ny fikarohana eto amintsika. Manam-pahaizana ihany koa ireto mpifaninana tafiakatra amin’ny dingana famaranana ireto. Efa miakatra hatrany lentan’ny voka-pikarohana ary efa manomboka zatra amin’izany ireo mpifaninana. Manomboka miditra lalina amin’ny ho fampandrosoana ny fikarohan’ireo mpianatra raha ny tamin’ity taona ity », hoy ny Tale Jeneralin’ny fampianarana ambony ao amin’ny MESUPRES. Araka izany dia efa mihitatra tsikelikely amin’ny lafiny ara-toekarena ny fikarohana hataon’ireo mpianatra raha ny ara-tsosialy no nimasoan’izy ireo teo aloha. Ity sehatra iray ity izay afaka hitondra fampivoarana ny tontolo rehetra. Ireo mpianatra 20 ireo izay namelabelatra ny voka-pikarohany tao anatin’ny 3 minitra monja dia nahitana fa manam-pahaizana ny mpianatra malagasy. Fehiny dia efa lasa mampifandray ny fikarohany amin’ny zava-misy hiainana amin’izao fotoana izao ireo mpianatra.
Mpianatra avy amin’ny Oniversitem-panjakana avokoa
Afaka nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity avokoa ny mpianatra rehetra mamarana ny fianarana sy ireo manomana « thèse ». Anisan’ny mampiavaka ity andiany faha-enina ity anefa ny fahitana fa mpianatra avy amin’ny Oniversitem-panjakana avokoa no tafiakatra tamin’ity dingana famaranana ity. « Sivana maro no efa nandeha talohan’ny dingana famaranana satria efa ny volana marsa teo no nanomboka ny fisoratana anarana. Azo lazaina ho rehareha araka izany no mahita fa mpianatra avy amin’ny Oniversitem-panjakana avokoa ireo mpianatra ireo », hoy indray kosa ny avy ao amin’ny AUF. Marihina moa fa avy amin’ireo Oniversite miisa enina manerana ny Nosy ireo mpianatra nandray anjara ireo.
Nifarana omaly ny lalao. Mafy ny fitsarana hoy ireo mpitsara rehetra. Efa samy mahafantatra ireo mpifaninana fa miakatra ny lenta ka samy efa niomana tamin’izany avokoa. Sandra Ranaivomanana, doctorante mahakasika ny « sciences halieutiques et écologie marine » ao amin’ny Oniversiten’i Toliara no nandrombaka ny amboara.