• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eric Jacques
Image
Vaovao

Zava-pisotro rendrika an-dranomasina : Nisy nanjono, ahiana hiparitaka ao Antsiranana

17/05/2024 10:11 © Moov.Mg

Mila mitandrina amin’ny fisotroana zava-pisotro novokarin’ny Star ireo mponina any amin’ny Faritra DIANA. Namoaka filazana ity orinasa mpamokatra zava-pisotro ity, fa mety hisy hivarotra ireo zava-pisotro ireo, izay rendrika an-dranomasina tamin’ny alakamisy 9 mey teo.

Rendrika teo an-tseranana

Raha tsiahivina ny zava-niseho dia nisy sambo mpitatitra antsoina hoe : Totozafy, rendrika tao amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana, ny takarivan’io alakamisy 9 mey io. Manodidina ny 300 taonina ny lanjan’ny entana nentiny, araka ny fanazavana. Voalaza ihany koa fa efa tokony niainga teo amin’ny seranan-tsambo izy io, saingy tsy nahazo alalana ho amin’izany, noho ny varatraza mbola nitsoka mafy loatra, ka dia voatery nijanona. Nanomboka niakatra tsikelikely anefa ny rano ary niditra tao amin’ny sambo. Tsy mbola tena fantatra mazava moa ny nahatonga izany, fa ny vokany kosa dia lasa tao an-dranomasina ireo zava-pisotron’ny orinasa Star, izay isan’ny nentin’ity sambo ity.

Simba ny kalitao

Taorian’izany dia nilaza ny Star fa nisy nanjono an-tsokosoko ny ampahany tamin’ireo tavoahangin-java-pisotro rendrika ireo. Araka izany, ahiana ny hiparitahan’izy ireo eny anivon’ny tsena ao Antsiranana. Raha ny tokony ho izy anefa, dia tsy azo jifaina sy sotroina ireo vokatra ireo, raha ny nambaran'ny orinasa. Mety efa misy fahasimbana mantsy, satria efa tsy nanaraka ny zotram-pitahirizana sy fitaterana intsony, ka mety hiova ny tsirony, na mety hiteraka olana ho an’ny fahasalamana mihitsy. Manoloana izany dia nanipika ny orinasa Star fa tsy tomponandraikitra, ny amin’ny mety ho kalitaon'ireo vokatra ireo, izay tsy manaja velively ny fepetra momba ny kalitaon'ny dingana famokarana sy fitsinjaràna. Miantso ireo mpamongady sy mpaninjara ary ny mpanjifa kosa ny Star, mba ho mailo, manoloana ny mety ho fiparitahan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires