• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Vary simba : Nisy 124 taonina indray no nodorana, tany Toamasina

16/04/2024 16:20 © Moov.Mg

Nahatrarana vary simba nilanja 124 taonina ny fitambarany, tany Toamasina, araka ny tatitry ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Nodorana omaly ireo vary lo ireo.

Tranga miverimberina

Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taon-dasa dia naresaka teto Madagasikara ny aferana vary simba. Misy amin’izy ireny no nokasain’ny tompon’entana hodiovina. Tsy hay hadinoina ny tranga tamin’ny volana desambra 2023, izay nisian’ny vary efa simba, nogiazana tao amin’ny Seranantsambon’i Mahajanga efa hatramin’ny taona 2017, saingy tafavoaka, ka nahasaringotra tomponandraiki-panjakana maro, nahitana olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin’ny Faritra Boeny. Tamin’ny volana janoary, fiandohan’ity taona ity ihany koa, dia efa nisy vary simba telo kaontenera, saron’ny zandary tao amin’ny trano fitehirizan’entana, tao amin’ny magazay iray tao Antanandava Toamasina.

Nokasaina hodiovina

Ireto vary simba nopotehina ireto dia hita fa tsy azo hanina intsony, araka ny valin’ny fitiliana nataon’ny laboratoara. Omaly no natao ny famotehana izany, ka ny 60 taonina tamin’izany dia notanterahana tao Antsarimasina ary ny 64 taonina tao Barikadimy. Natrehan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (DRIC) Faritra Atsinanana sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ny mpitandro ny filaminana, ny famotehana ireto vary lo ireto. Araka ny fampitam-baovao dia nisy tra-tehaky ny mpanara-maso ny varotra avy amin’ny DRIC Atsinanana, niaraka tamin’ny zandary, teo am-panadiovana ireo vary simba ny tompon’entana. Efa noraisina ny fepetra mifanaraka amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo