• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Nationale

Rano Wash : 700 000 ireo olona nisitraka ny tetikasa manerana ny Nosy

26/05/2023 17:17 © Moov.Mg

Mponina miisa 700 000 any ambanivohitra no fantatra fa nisitraka rano fisotro madio tamin’ny alàlan’ny tetikasa RANO WASH izay napetraky ny USAID.

Olona 700 000 no nisitraka nanomboka ny taona 2017

Ny taona 2017 dia tafiditra ny rafitra vaovao izay mifototra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Rural Acess to New Opportunities in Water Sanitation and Hygiene na Rano Wash. Raha tsiahivina dia tetikasan’ny governementa amerikana, izay tanterahana amin’ny alàlan’ny USAID ny Rano Wash.
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 25 Mey ny tetikasa. Nandritra izany indrindra no nanaovana tomban’ezaka ny asa rehetra izay vita. Fantatra, noho izany, fa ny taona 2017 noho makaty dia olona miisa 700 000 isa avy amin’ny kaominina miisa 250 tamin’ny faritra fito no afaka nisitraka rano fisotro madio tamin’ny alàlan’io tetikasa io. Azo lazaina ho nahomby araka izany ny tetikasa Rano Wash, izay niarahan’ny firenena malagasy sy ny firenena amerikana.

Fanamafisana ny fisitrahana ny rano fisotro madio

Araka ny voalaza tetsy ambony dia kaominina anjatony maro no nahazo tombotsoa tamin’ny alàlan’ny Rano Wash. « Nanampy ireto farany tamin’ny famatsiana rano ho an’ny mponina ny Rano Wash, sy nampitombo ny hetra nahafahana nampivelatra ny fiainan’ireo vondrom-piarahamonina ifotony, ary nanamaivana ny vesatra ara-pitantanana amin’ny alàlan’ny fifanarahana natao tamin’ireo orinasa tsy miankina mpamatsy rano ». hoy ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.
Tsy hijanona eo anefa ny asa fa antenaina ny mbola hitohizany sy hitombon’ny isan’ireo mpisitraka. Miankina amin’ny fahavononan’ireo vondrom-piraharamonina hafa manodidina anefa izany satria izy ireo no hampihatra io rafi-pitantanana sy famatsiana rano vaovao sy mahomby napetraka ny 2017 io. Afaka nampitombo ny fahaiza-manaony momba ny rano ihany koa manko ireo manam-pahaizana tamin’ny alàlan’ity Rano Wash ity.
Zava-dehibe tokoa satria antoky ny fahasalamana ny fahafahana misitraka rano fisotro madio. Izany indrindra no antom-pisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena amerikana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo