• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Economie

Indostria : 24 ireo indostria vaovao naorina tato anatin’ny efa-bolana

26/05/2023 15:17 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny tetikasa mahakasika ny fametrahana indostria izay tanterahan’ny ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.

Faritra maro manerana ny Nosy no hahazo tombotsoa amin’ny alàlan’ireo tetikasa izay miompana amin’ny fametrahana ireo milina sy ozinina indostrialy. Mbola mitohy ny asa fanatanterahana izany tetikasa izany na dia efa maro aza ireo faritra nisitraka azy io.

Indostria vaovao miisa 24 no naorina

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatratrarana ny tanjona napetraky ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny ny fametrahana indostria sy milina indostrialy manerana ny Nosy. Izany dia atao mba hanamafisana hatrany ny fampiroboroboana ny indostria, antoky ny fandrosoan’ny firenena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny ministera sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia indostria vaovao miisa 24 no nitsangana manerana ny Nosy tato anatin’ny efa-bolana. 54 kosa ireo naorina araka ny lalàna ny taona 2022, raha ny nambaran’ny avy eo amin’ny ministeran’ny Indostria.
Ankoatra ireo indostria dia misy ihany koa ny fametrahana ireo milina mpanodina vokatra. Ireto farany dia ho apetraka eny ifotony, ary sehatra samihafa no hampiasaina azy ireo. Hatreto ohatra dia milina fanodinana tantely miisa fito, fanodinana voanjo ho lasa menaka miisa telo ary fikarakarana kafe iray no efa tafapetraka eny anivon’ireo distrika samihafa.
« Ireo milina ireo dia tsy indostria mijoalajoala fa orinasa hanodina mivantana ny vokatra hamatsiana ny tsena anatiny. Malagasy no mitantana azy ary mahatsoro ho tompony ny Malagasy », hoy ny ministra Edgard Razafindravahy.

Tetikasa miompana amin'ny fampiroboroboana ny indostria

Nanomboka ny volana septambra 2022 dia nisitraka fanohanana ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria i Madagasikara. Fifanarahana izay notanterahana niaraka tamin’ny banky afrikana ho an’ny fampandrosoana na BAD izy io, koa nomena ny anarana PAISF.
Ity tetikasa ity dia mifantoka amin’ny saha indostrialy miisa efatra. Tafiditra ao anatin’izany ny indostria momba ny lamba ao Moramanga, ny famokarana kojakoja momba ny taotrano sy asa vaventy ao Toamasina, ny fanodinana voankazo sy legioma ao Antsirabe ary ny fanodinana hazan-drano sy vokatry ny fambolena any Antsiranana.
Ankoatra io tetikasa PAISF io dia efa natomboka ihany koa ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Mitondra ny anarana PTASO io tetikasa io ary anisan’ny tetikasa ara-indostria lehibe indrindra tanterahana amin’izao fotoana. Raha ny marimarina kokoa dia tetikasa miompana amin’ny fananganana toeram-pamokarana lehibe izy ity, izay haorina ao Ankorongoa, any Toliara. Velaran-tany 107 000 ha tokoa no handray ity toeram-pamokarana ity raha velaran-tany 120 ha amin’io no hanorenana ny orinasa. Fantatra ihany koa fa tetibola tsy latsaky ny 25 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD hatrany no entina hanatanterahana azy ity.
Inoana fa hitondra voka-tsoa ho an’ny andavanandrom-piainan’ny mponina ny fanatanterahana ireo tetikasa ara-indostrialy maro isan-karazany toa izao. Tsiahivina fa ny fampandrosoana ifotony tokoa dia anisan’ny antoky ny fandrosoan’ny firenena iray.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo