• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Qualification CAN 2023 /2024 : Nandresy ny Centrafique. Mitohy ny lalao ho an'i Madagasikara

23/03/2023 17:56 © Moov.Mg

Niondrika teo anatrehan'i Centrafrique i Madagasikara. 3-0 ny isa nisarahana. Azo lazaina fa tsy kivy nefa ireo mpitia baolina kitra Malagasy satria mbola misy ny lalao miverina ahafahana manenjika isa.

Lalao nampientanentana

Nitsanga-nitoetra ireo mpijery baolina teny Mahamasina androany hariva. Horakoraka, tehaka, kiakiaka no niainana teny an-kianja. Satrin'ireo mpanotrona tokoa hifanohana amin'ny ekipam-pirenena Malagasy, izay tsy mitsahatra mitondra avo an'i Madagasikara maneran-tany. Nanao izay mety tokoa ny BAREA nandritra ny lalao teo, na dia tena mahery tokoa aza ireo mpilalaon'i Centrafrique.
Tamin'ny fizaram-potoana voalohany dia efa tsinjo fa nisy lesoka ny lalao ho an'ny ekipa Malagasy. Teo amin'ny minitra faha-36 moa no matin'ny Centrafrique ny baolina voalohany. Mbola ny Centrafrique ihany no nahafaty ny baolina tamin'ny minitra faha-44. Ny baolina fahatelo moa dia mbola azon'i Centrafrique ihany tamin'ny minitra faha-72, fizaram-potoana faharoa.

Mitohy ny lalao

Mbola lavitra ny lalana ho an'ny ekipam-pirenena BAREA. Ny dingana manaraka amin'ny "3ème journée" mantsy dia ny "match retour" izay ifanandrinana amin'i Centrafrique ihany. Hihazo an'i Douala, Cameroun, ireo mpilalao, hiatrika ny lalao amin'ny Alatsinainy 27 martsa. Tsy adino ihany koa ny "4ème journée" izay mbola hisy lalao mandroso sy miverina.
Azo lazaina fa mbola azo antenaina tsara ny handraisan'i Madagasikara anjara amin'ny CAN 2023/ 2024 any Côte d'Ivoire. Ilaina kosa nefa ny fanazaran-tena maharitra kokoa. Tsikaritra mantsy fa fohy loatra ny fampivondronana iarahan'ny mpilalao malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo