• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Infocom_Seg
Image
Vaovao

Ankazobe : Naman’i Iarisy hafa indray voasambotra

22/03/2023 08:21 © Midi Madagasikara

Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ireo mpitandro filaminana mba hamongorana ireo ekipan’i Iarisy, lehiben-jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana narahana fandorana tanàna ka nahafatessaana olona 32 tao amin’ny tanànan’Ambohimarina, kaominina Ambolotarakely, ny volana jolay 2022.

Hatreto dia mbola tsy voasambotra ity Iarisy ity ary mbola miriaria sy manohy ny asa-ratsiny eny ihany izy sy ny ekipany na dia maro amin’ireto farany aza no efa tratra sy maty voatifitra. Iray amin’izy ireo ity William ity, izay voalaza fa iray tamin’ireo dahalo nanafika tao amin’ny tanàna atao hoe Mampando, fokontany Ambohidroa, kaominina Ambohitromby, ny 17 martsa teo. Roa andro taorian’io fanafihana nahaverezana omby maromaro io, izany hoe ny 19 martsa dia nahazo antso avy amin’ny olona tsara-sitrapo ny borigadin’ny zandarimaria ao Ankazobe fa mihaodihaody ao amin’io tanàna atao hoe Mampando io ity naman’i Iarisy ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana notarihin’ny lehiben’ny borigadin’Ankazobe. Napetraka ny vela-pandrika hijokoana ity jiolahy ity. Noho ny fahaiza-manaon’ireo zandary dia azo sambom-belona i William izay voalaza fa noraisim-potsiny tsy afa-nanohitra akory. Nandritra ny fanadihadiana natao azy dia fantatra fa isan’ireo dahalo nanafika tao amin’io tanàna io ihany koa ity Jiolahy ity ny 27 janoary 2023 lasa iny. Fanafihana izay heverina fa tsy maintsy ho Iarisy hatrany no ao ambadik’izany rehetra izany. Tsiahivina fa ity farany izay voalaza fa mbola manohy mampihorohoro ireo mponina any amin’iny distrikan’Ankazobe iny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo