• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanamboaran-dalana Antananarivo : Vinavinaina ho tontosa alohan'ny volana jona 2023

22/03/2023 08:16 © Moov.Mg

3 volana no ifanarahan'ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny orinasa mpanatanteraka ny amin'ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Koa satria nanomboka tamin'ity volana martsa ity ny fanamboarana, tokony vita mialoha ny volana jona ny asa rehetra.

Fanarenana ny renivohitr'i Madagasikara

Mampitaraina ny mpitatitra, ny mpandeha sy ny olon-tsotra ny haratsin'ny lalana eto an-drenivohitra, indrindra moa nanomboka tamin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity. Nahapotika ireo foto-drafitr'asa maro tokoa ny rotsak'orana, ny fiakaran'ny rano sy ny rivodoza nifanesy.
Nanombohana ny asa fanarenana ny lalana ny etsy Ankadimbahoaka sy Isotry. Araka ny tatitry ny Ministeran'ny Asa Vaventy dia mizotra tsara araka izay nokasaina ny asa. Mahakasika ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By pass, efa manomboka ny famendrahana ny tara ny orinasa ankehitriny ary hovitaina amin'ny faran'ity herinandro ity ny fanamboarana io ampahan-dalana io. Ny lalana mampitohy an'Ambodin'Isotry sy "Aigle noir" kosa dia efa vita ny "scarification" ny lalana ary efa manomboka ny "travaux de compactage" ny orinasa.

Fikajiana ny foto-drafitr'asa

Tsy ho ela dia hisitraka lalana tsara ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Manentana ny mpampiasa lalana rehetra ny Ministeran'ny Asa Vaventy mba hikajy ny foto-drafitr'asa iombonana. Miankina amin'ny fanajantsika ireny lalana ireny mantsy ny faharetany. Tsara kokoa raha samy manaja ireo fepetra apetraky ny manam-pahefana. Ao anatin'izany ny hafaiganam-pandeha sy ny lanjan'ny fiara. Tsy tokony Handeha amin'ireo ampahan-dalana efa voatondro ireo fiara lehibe na poids lourds. Ampahatsiahivina ihany koa ny olom-pirenena tsirairay fa tsy azo atao eny amin'ny arabe ny miantsona, manamboatra na manasa fiara ary mivarotra.

Mandritra ny asa fanamboarana dia misy ny ampahan-dalana tsy azo aleha. Ilaina araka izany ny manaja ny fandaminana misy eny amin'ny toerana voakasik'izany

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo