Bodo : « Miandry anao », hankalaza ny faha-40 taona nifanenany tamin’ny mozika
40 taona amin’io taona 2026 ho avy io no « nifanenan’i Bodo tamin’ny mozika ». Hosantariny sahady amin’ny fampisehoana, izay hotanterahiny amin’ny 23 novambra 2025, eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, izany fankalazana tsingerintaona izany.
« Miandry anao » ! Io no lohatenin-kira isan’ny nahafantarana voalohany an-dRazafindrazaka Faliherinantenaina Bodoharisoa, na i Bodo. Io lohateny io ihany koa no nosafidiany ho an’ity fampisehoana hotanterahiny amin’ny alahady ho avy izao ity. Teny nosafidiany, ankoatra izay, ny hoe : « Hira iray, hery iray », satria hoy i Bodo : « ny hira dia miaraka aminao hatrany, na an-kasoavana na an-karatsiana, manome hery raha osa, ary manamafy ny hafaliana ».
40 taona nilalaovana mozika
Hiavaka ny fampisehoana, satria hanombohan’i Bodo ny fankalazana ny faha-40 taona nifanenany tamin’ny mozika, araka ny fanazavany. « Ny taona 1986 aho no nandray anjara tamin’ny fifaninanana-kira "TOP 16 sur la 2" voalohany indrindra ary nahazo ny laharana fahatelo. Feno 40 taona amin’ny taona 2026 izay fotoana izay », hoy i Bodo, nitsiahy. Etsy an-daniny, efa ela ihany koa ity mpanakanto ity no tsy nanatanteraka fampisehoana tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fotoana iray hifanenany amin’ny mpankafy indray, araka izany, ity amin’ny 23 novambra 2025.
Hanasan’i Bodo mpanakanto namana maromaro ity fampisehoana ity. Hisantatra izany i Saunia sy Mi-Tsanta, izay mpanakanto vao misondrotra. « Amin’ny maha-zoky ahy dia tsy manadino ireo talenta vao misandratra aho. Tiako hiakatra hatrany izy ireo, satria mila fenoina ny tahala », hoy ny fanazavan’i Bodo. Eo ihany koa ireo mpanakanto hafa, izay azo lazaina ho akaikin’ny fony : Njakatiana, Tovo J’hay, Lôla, Mirado, Nate Tex ary i Poopy. Tsy mpiara-dalana ao anatin’ny tontolon’ny mozika fotsiny izy ireo, hoy i Bodo, fa manana fifandraisana manokana aminy mihitsy. Na ireo mpanakanto efa lasa any amin’ny varo-tsy mifody aza dia hanana ny anjara toerany ao anatin’ity fampisehoana ity ihany koa : « Misy ny efa tsy eo intsony, efa lasa nodimandry, fa hasaiko ho tonga amin’io fotoana io ihany koa ny fahatsiarovana azy ».
Fampisehoana hiavaka
Raha atotaly, dia mihoatra ny 30 isa ireo hiaraka hiaka-tsehatra amin’i Bodo amin’io fampisehoana io. Ankoatra ireo efa voatanisa ireo, dia mpitendry miisa 15, feo lafika miisa 5 ary mpandihy miisa 12 no hanampy azy ireo. Tsy fanao mahazatra ny fisian’ny DJ handravaka ny fampisehoana tahaka izao, saingy nasain’i Bodo ho avy ao ihany koa i DJ Natoo. Hiavaka, manaraka izany ny lampihazo, izay ho lehibe sady hanana endrika hafakely, hisy efijery goavana (écran géant) ihany koa, hiandraiketan’ny Nyr-image. Toy ny nahazatra hatramin’izay, i Tachou, izay rahavaviny ihany, no hampiakanjo an’i Bodo.
Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ity fampisehoan’i Bodo ity. Hafatra napetrany ho an’ny mpankafy ho avy ny hoe : « Asio tsikitsiky vao miainga any an-trano. Zavatra mahafaly foana no atao ao an-tsaina, mijery miabo ». Amporisihiny ihany koa ireo mpijery mba « hihira hatramin’ny voalohany hatramin’ny farany », satria hira roa ihany, amin’ireo holakoliny, no ho vaovao. Ny ankoatra izay dia ireo mpankafy ihany no nandahatra azy, araka ny « fitsapan-kevi-bahoaka » notanterahin’i Bodo, volana maromaro lasa izay.



