• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Tazomoka : Nidina any Ikongo, miaraka amin’ny CVO 5025 isa, ny ekipan’ny BNGRC

01/07/2025 16:51 © Moov.Mg

Nandeha nidina any amin’ny Distrikan’Ikongo, androany 1 jolay 2025, ny ekipan’ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), niaraka tamin’ny ekipan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hamongorana ny aretina tazomoka izay mirongatra any an-toerana amin’izao fotoana izao.

CVO, fanafody raokandro malagasy

Fiara miisa telo no niala teny Birao foiben' ny BNGRC eny avaratr’Antanimora androany tolakandro, handeha hihazo an’Ikongo, faritra Fitovinany. Ny fandrindrana ireo asa rehetra, izay tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tazomoka, no tena hiompanan’ny asa hotanterahin’ny BNGRC, araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. « Ny didim-panjakana (laharana n° 2019-1958) no mamaritra fa rehefa ao anatin’ny loza, na ny loza mitatao ny firenena, dia miditra an-tsehatra ny BNGRC », hoy izy.
Isan’ny nentin’ireto ekipa ireto niaraka taminy, handeha hidina any Ikongo, ny Covid-Organics, na CVO, miisa 5025. Raha tsiahivina dia vita amin’ny zava-maniry antsoina hoe : tamirova, na "artemisia", ity fanafody raokandro, vokarin’ny orinasa Pharmalagasy ity, izay namporisihin’ny Fitondram-panjakana ny fihinanana azy, nandritra ny fotoanan’ny valanaretina covid-19.

Diovina ny lobolobo

Nilaza ny tale jeneralin’ny BNGRC, fa mbola tsy misy aloha ny antontan’isa azo omena hatreto, momba ny isan’ireo marary sy namoy ny ainy vokatry ny tazomoka any Ikongo. Amin’izao fidinana ataon’ny ekipany any an-toerana izao kosa, dia hampiasa ny « centre opérationnel mobile » izy ireo, izay hahafahana mifandray na dia any anaty ala aza, ka hahafahana mahazo vaovao voamarina avy eny ifotony. Iarahan’ny BNGRC sy ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary ny mpitondra eny ifotony, ny fandrindrana asa hotanterahina any amin’ny Distrikan’Ikongo.
Etsy an-daniny, misy ny « asa atakalo sakafo » karakarain’ny BNGRC, ka homena tohana ireo mponina, ho tambin’ny fanadiovana ny tanàna. Tsikaritra mantsy fa betsaka ny lobolobo, izay isan’ny fiafenan’ny moka, mpitondra ny tazomoka.
Nanamarika ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja fa fanapahan-kevitry ny avy eo anivon’ny governemanta izao fandraisana andraikitry ny BNGRC momba ny tazomoka any Ikongo izao.

Lire la suite

Articles Similaires