image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
default profile picture

Dadouh

Member
Last seen il y a 1 an
Joined:
Posts:
2
Topics:
1

Krizy 2002.
Ity tantara marina ity efa nataoko teto indray andro izay, mety misy mahatadidy ianareo. Vehivavy aho, Miarintsoa no anarako, 38 taona aho izao, zany hoe 16 taona aho t@ zany krizy izany, zaza maroroka ny filaza ahy fa ohatran’ireny olona 20 taona ireny, mianadahy zahay, manana anadahy iray zay 32 taona zao.
Tany Brickaville no niseho ny tantara t@ 2002, nisy moa ny barrage nataon’ny rezervista, izahay taty alohan’ny barrage no nipetraka, tanana zany, dadanay olom-panjakana no nahatoganay nipetraka tany, mamanay mpanjaitra. Indray andro nitety trano ry zareo rezervista mitady lehilahy hanampy andry zareo dia tao @nay mo aizy dia nolazaina fa mbola ankizy ny aty zandriko t@ zany vao 10 taona. Dia lasa ry zareo, noho ny tonga ny hariva, niverina tao @ nay ndray ry zareo, aiza dadanareo hanampy anay, dia hoe mbola tsy tonga dia hoe ianao aza no miaraka aminay fa rehefa tonga any izy dia miverina aty ianao. Dia lasa moa ny tena gina teo i mama sy zandry. Andro @ zany teo @ 5ora hariva teo,teo @ barrage zahay, nisy ankizy vavy hafa fa tsy mifankahalala moa zahay, ity ny gouté sy rano, ny tena moa noana ihany fa dia tongotra lavitra ka nihinana zay nisy teo. 10mn teo angamba tena tsy tompon’ny tenako tsony aho, nalemy, tsaroako nisy nitrotro dia izay. Nahatsiaro nangatsiaka be t@ 12ora alina tany ho any, naheno ankizy vavy mitomany, gaga aho fa tsy miakanjo kay zà ny tapany ambany nefa aho nanao pataloha, efa tsy mislipy tsony, mando tsy fantatra zany, mangirifiry ny fivaviako, notsapako kay misolitika rà sy tsy aiko tsony, tsy hitako ny patalohako fa zay hitako teo no nalaiko,lambahoany zany, andro moa alina, jiro mitsilopilopy, eo akaikiko ankizy vavy matory be, olona 3 zay no tao. Lay mitomany mba nanontaniako hoe fa aiza tsika dia tsy fantany fa efa 2 jours hono izy no tao dia zay sakafo homeny tao no hoanina.
Aiza hoa ny toilette ? dia hoe eny ankalamanjana eny ozizy lay vehivavy, dia lasa zà nivoaka, efa nanomboka nazava kay ny tany ivelany dia mba afaka nitsoaka, kay zay ity eny antampon-tendrombihitra, lasa zà nitsoaka, nidina kisilasila maheno olona dia miafina, dia lasa, efa zazava be vao tonga teny @ arabe @ ity misikina lambahoany tsy mislipy, loza zany, sady tsy mikiraro. Angamba teo @ 5km miala ny tranonay lay arabe fa mba hitako ihany ny lalana, @ 8ora sy sasany maraina zà tonga ao antrano, vao nahita ahy mamanay dia nitomany, dadanay tonga dia nitady laba aingana, ndana matory fakely fa hanao rano aho hampandoana anao, dia nisasa sns…. Notantaraiko andry zareo ny nahazo ahy dia ny atoandro ihany ndao hiakatra any Tana isika, lasa zay 4 mianaka, zara raha nisy entana fa zay sendra teo no nentina, tany @ rahalahin’ny dadanay zay no nivantana, vao maraina dia tany @ dokotera zahay 3 ary nojerena fa nisy rovitra ny fivaviako ary mety ho bevohoka, teo dia tsy aiko zay nataon’ilay dokotera fa après une semaine aho nasaina niverina, natao avortement kay.
Afaka 7jrs niverina tany brickaville dadanay naka ny entanay rehetra dia nipetratraka tany Tana zahay, dia nanhy fianarana tao @ ESCA zay dahy t@ zay. Afaka BAC afaka 2 taona dia nalefan’ny RAR nianatra taty ivelany ary nanambady gasy taty sy mananjanaka mianadahy.
Zahay 3 ihany no mahalala zany tsiambarateloko zany, eny na ny anadahiko aza tsy mahalala na ny fianakaviana. Heritaona zay maty dada zay no nakanesako tany Mada, i Mama sy zandry kosa miara-mipetraka zao.
Tolona ny fiainana é ! mila mitraka foa, aza adino ny mivavaka