image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 1

Salama ny mpamaky,
mba mila fanampiana aho tompoko! toy izao ny manjo ahy: nisaraka tamin'ny olontiana aho ka zary lazoan'aretina aho ankehitriny, nanankina ny foko tamin'io olona io aho ary nanao izay mba vitako mba hampirindra ny fiarahanay. kinanjo izany fitiavako sy fahalalahantanako taminy izany dia noraisiny ho fahalemeko ka dia nampirafy ahy izy, nozakaiko teny iany izany fampirafesana izany satria angamba hoy aho tsy mety raha hiovaova olontiana isaky ny mihetsika. Tsy tana anefa izy fa lasa, niaraka tamin'olon-kafa, nandao ahy ary tsy azo norarana. Nanomboka teo ary dia narary tratran'ny DEPRESSION aho, izaho moa tokana, tsy misy ray aman-dreny intsony ka tsy mba nisy azoko nifampizarana, tsy manana namana betsaka koa aho satria miasa lava ary tsy dia manam-potoana loatra, namana 1 no mba nanampy ahy tao anatin'io aretiko io, ni- reconforter ahy nandritra ny fotoana nitsaboako tena. Nodimandry io namako io herintaona latsaka kely izay. Niezaka nanafa ny ratram-poko aho, tsy misy nizaniza intsony, tsy mbola tena sitrana aho kanefa miezaka manadino, miezaka manamboatra saina , miezaka mionona hoe tsy tiana matoa nilaozana, miezaka manaiky ny zava-misy. Mbola tsy sitrana tsara hoy aho kanefa tonga indray ity olontiako teo aloha, milaza fa mbola tia, milaza fa manenina, ary mangataka ny hiverina indray. Tsapako anefa fa toy ny miverina indray ny alaheloko mahatsiaro ireo ratra nampitondrainy ahy tamin'izany fotoana, miverina tsy mandalo fa mitoetra maka toerana mitady hamerina ilay depression nanjo ahy. Miezaka manohitra mafy aho fa matahotra sao hiverina ho depressive indray: mila vahaolana aho ry namako isany a! efa narahako ny toromarika nomen'ny psychologue ahy fa hitako hoe ampahany tamin'ny olako no voavaha, anisan'izany ohatra ny tokony hananako projet (efa manana aho) mba hampiasako ny saiko, ny tokony hamalifaliako ny saiko ( miala voly, manao beauté, ...) fa indrindra indrindra manapaka ny fifandraisako amin'io olontiako taloha io. Araka ny fifanakalozana nifanaovako tamin'ny psychologue nanaraka ahy no nilazany tamiko fa manipulateur ilay olontiako, ka tsy misy vahaolana afatsy ny fanapahako ny fifandraisana aminy. Indrisy anefa fa ny fo adala, ary leo SOLITUDE aho ka niverin-dalana, nanaiky nifampiresaka tamin'io olontiako taloha io indray? Dia izao, miantso vonjy izao indray. tsy manana namana aho zareo a! tsy misy olona mba afaka hilazako, hiresahako, ifampizarako, fa izaho irery. ka izao tonga eto amin'ny forum izao, Te ho afaka aho, te hiova fiainana lavitry ny depression, lavitry ny alahelo, te ho faly, te hanana namana ary indrindra te hanana olontiana! mba misy miaina toa ahy ve ianareo? mba izarao bonne pratique e! Fanamarihana: tsy manana namana aho any ampiasana, tsy hoe miolonolona fa tsy mitantara ny fiaianako be ary tsy miditra lalina satria fantatrareo iany izany any ampiasana izany, tsy manana namana aho any ampiangonana satria fantatro fa tsy toerana ifampitantarana fiainana toy izany ny ao ampiangonana, tsy manana namana aho eny an-tanàna satria ny tokatrano tsy ahahaka, fa zaran'ny olona aza ianao mitrosona, tsy manana namana be aho fa juste olontsotra mifanerasera, tsy manana olontiana aho satria tsy haiko ny antony....... Dia izay no tantarako. manandrana eto amin'ny forum aho sao dia mba mety ahitako vahaolana maharitra iany eto. Misaotra niaritra namaky atramin'ny farany na dia somary lava iany aza


Salama
Tsapako ny zavatra mahazo anao
Tena mitovy ny situation tsika, zah nanana eritreritra te hiala lavitra ny zany hoe depression zany, na hoe stress, efa nanohatra aho ny nanantona dokotera, mba nangala solution momban'io depression io. Kanefa, ny namako manome hevitra ahy mba hampiasa fanafody natoraly, toy ny Fleurs de CBD, izay anisany nanampy anah tokoa tam depression nahazo anah.
Tsy fantako na efa nanohatra anio ihan ianao?
Mirary soa ho anao.
sary