Ô Rey olona an! efa gisitra isika @ fandrosoana, dia mbola ity resaka losifera ity indray no entina hifandrebirebena! Hatramin'izay, ny gasy tsy maty raha tsy mosavy, tsy manaonao foana raha tsy nisy ody fitia, tsy vendrana raha tsy voan' ny fandraikirekena! ...ets... Izany hoe tsy ny tena no tompon'andraikitry ny tsy fahombiazana sy adalana rehetra fa misy hery hafa any manery anao. Ankehitriny indray satana no lazaina fa manjaka ka mahatonga ny fahalovana rehetra! Dia fanafodiny hoe? Mivavaha hono, mifikira mafy @ finoana!Dia ahoana? vakio sy diniho tsara ny baiboly, satria efa akaiky ny farany?Izany hoe: aza mamakafaka intsony ny rafitra fifandraisana eto @ fiaraha-monina! Aza mijery intsony ny fipetraky ny fambotrina rehetra! Aza miezaka intsony ho @ asa famokarana! Aza manohitra intsony ny tsy rariny rehetra!...ets...Tsaroako: 1962, hoy ny mpitory hoe efa ho avy ny farandro, ka mivavaha, mibebaha... Nisy olona tsy niala tany am-piangonana intsony, nisy ny namerina tsianjery ny baiboly, tao ny nandeha ni-konfesy; tao ny nizarazara ny fananany... dia dila ilay andro voatondro, dia mbola teo daholo, dia nifampijery teo daholo ; dia hatramin'izao ,efa nisy 55 taona lasa, mbola mitohy miresaka ny farany foana!Hatreo ny fiainanao, tontosao ny adidinao @ ankohonanao, ny fiaraha-monina, ny firenena. Rehefa tonga izany farandro izany, dia tonga. Raha izaho aloha tsy manaiky izany resaka losifera izany hi-bloquer aho @ fitondrako ny fiainako!!