• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Auto Journal
Image
DYI

Torohevitra natoraly hiadiana amin’ny fofona ratsy anaty fiara

07/04/2024 14:09 © Moov.Mg

Toerana iray mora mamoaka fofona ratsy tokoa ny fiara, indrindra moa raha tsy voadio matetika. Efa misy noho izany ireo ranomanitra manokana ho an’ny fiara amidy eny an-tsena eny. Ho an’ireo tsy te hampiasa vokatra simika kosa nefa dia atoro eto ireo fikafika natoraly hiadiana amin’ny fofona ratsy anaty fiara.

Fonosana dite (infusion) hanesorana fofona ratsy anaty fiara

Fikafika tsotra hanesorana fofona ratsy anaty fiara ny fonosana dite (infusion). Mandaitra ary tsy lafo vidy moa izy ireny satria ny fonosana dite efa niasa no ampiasaina. Misy karazany maro moa ny hanitr’ireny dite (infusion) ireny raha tsy hitanisa afatsy ny kanelina, voasary makirana, lavanila… Tsotra ny fampiasana azy. Angonina ireo fonosana dite avy niasa ary avela hitsiaka tsara mba hiala avokoa ny ranony. Izy ireo no apetrapetraka amin’ny faritra samihafa ao anaty fiara : ao ambany seza, anaty fitoerana tain-tsigara sy eo amin’ireo toerana misy mandomando rehetra. Mitroka ny fofona ratsy ary mamoaka hanitra tsara anaty fiara ireo fonosana dite ireo.

Jirofo miady amin’ny fofona bobongolo

Anisan’ny fofona ratsy faheno matetika anatin’ireo fiara efa antitrantitra ny fofona bobongolo. Rehefa mandeha ny fotoana dia miangona ao anatin’ny fiara ny fofona ratsy vokatry ny hamandoana sy ny hatsembohana. Lasa misy « champignons » miforona ihany koa eny amin’ireo toerana takotakona rehetra, toy ny ao ambany seza… ka mamoaka fofona bobongolo. Ny jirofo dia akora natoraly afaka miady amin’ireny fofona ireny. Fonosina anaty « compresse » ny jirofo ary fatorana kofehy. Apetraka eny ambany seza, anaty « boîte à gants » sy amin’ireo toerana mikombokombona rehetra anaty fiara.

Tain-kafe miady amin’ny fofona sigara anaty fiara

Mijanona mandritra ny ora maro ao aorian’ny fotoana nifohana sigara tao anaty fiara ny fofon’izany. Ny setro-tsigara dia miraikitra amin’ny « moquettes » sy ireo lamban’ny seza ka ela tokoa vao afaka indrindra raha maromaro ny olona mifoka sigara anatin’ilay fiara. Mba hanesorana izany fofona ratsy izany dia fonosina anaty lamba manify ny tain-kafe ary apetraka amin’ny toerana rehetra eritreretina mitana ilay fofon-tsigara. Fohan’ireo tain-kafe izany fofona ratsy anaty fiara izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo