• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
DYI

Fomba fanamboarana « spray activateur de boucles » natoraly

02/05/2024 14:43 © Moov.Mg

Malaza tokoa ankehitriny ny volo atao olioly na miolakolana, « cheveux bouclés » hoy isika. Mila fikarakarana sy vokatra (produtis) manokana ny fahazoana izany taovolo izany. Anisan’ny ampiasaina ampivoaka tsara ny « boucles » ny « spray activateur de boucles ». Atoro eto ary ny fomba natoraly azo hanamboarana izany ao an-trano.

Inona ny ilaina ny « spray activateur de boucles » ?

Araka ny efa nolazaina teo ambony dia manampy amin’ny famoahana sy ny fiforonan’ny « boucles » na ilay endrika miolakolana amin’ny volo ny « spray activateur de boucles ». Ankoatra izay dia mitahiry akora manamandina ny loham-bolo izy io ary miaro ny volo tsy ho maina.
Azo ampiasaina isaky ny hanamboatra volo amin’ny maraina moa ity vokatra ity mba hanesorana ireo volo miraikitra sy sarotra alamina. Mazava ho azy fa efa misy ireo vokatra vonona ampiasaina azo vidiana eny amin’ny mpivarotra « produits » ho an’ny volo. Ho an’ireo maniry ampiasa vokatra natoraly kosa dia azo atao tsara ny manamboatra « spray activateur de boucles » ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « spray activateur de boucles » ao an-trano

-Rano 200ml ;
-« Glycérine » 4 sotro fihinanana ;
-Menaka jojoba 4 sotro fihinanana ;
-« Vinaigre de cidre » 2 sotro fihinanana ;
-« Huile essentielle d’Ylang-Ylang » 5 hatramin’ny 10 mitete.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Arotsaka anaty « vaporisateur » 300ml ny menaka jojoba sy ny « huile essentielle d’Ylang-Ylang ».
Alefa manaraka izay ny « glycérine », ny « vinaigre de cidre » sy ny rano.
Satria moa tsy afaka mifangaro amin’izao ny rano sy ny menaka dia mila ahontsana tsara hatrany ity « spray activateur de boucles » ity isaky ny alohan’ny ampiasana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo