• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Eco-Tsapi
Image
DYI

Fomba fanamboarana savony « exfoliant » vita amin’ny tain-kafe

08/05/2024 15:46 © Moov.Mg

Akora iray azo ahodina hanamboarana vokatra natoraly ilaina amin’ny andavanandro ny tain-kafe. Isan’ny azo hanamboarana savony vita ao an-trano ihany koa izy io. Manadio ary manala ireo loto sy hoditra maty (peau morte) amin’ny hoditra ny savony vita amin’ny tain-kafe. Araho eto ary ny fomba fanamboarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao savony « exfoliant » vita amin’ny tain-kafe

-« Base de savon » 500g ;
-Menaka zavamaniry izay tiana 25ml ;
-Tain-kafe 5 sotro fihinanana ;
-« Huile essentielle » 15 ml.

Ireo dingana atao amin’ny fanamboarana ny savony vita amin’ny tain-kafe

Atsonika amin’ny alalan’ny « bain marie » ny « base de savon ». Aroharoana mandrapahazoana fangaro malama tsara sy tsy misy mitambaingana intsony.
Araraka ao anaty « saladier » ilay savony nitsonika ary tapohana menaka zavamaniry 25 ml izay tiana. Izany hoe afaka atao « huile d’amande douce », « huile d’olive », « huile de coco »…
Arotsaka ao amin’io fangaro io ny tain-kafe sy ny « huile essentielle ».
Tsinjaraina anaty « moule » ilay fangaro ary apetraka ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Rehefa vita izay fotoana izay dia esorina avy ao amin’ny « moule » ny savony. Raha lasitra lehibe no nampiasaina taminy dia tetehana mba ahazoana savony maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo