Mivoana kely ny resako, miala tsiny mialoha ! Izaho mampiasa briquet taloha rehefa mandrehitra fatana gaz, na fatapera rehefa hanao grillades, dia nisy fotoana nividy briquet sinoa ilay misy jiro led kely ireny. Matetika ilay jiro fotsy (rehefa arehitra) saingy nahazo jiro miloko manga aho, hitako mitovitovy @'ireny hazavana "ultraviolet" ny avoakany dia nandramako natsilopy tamin'ny vola, kay tena nety fa hita teo daholo ireo famantarana ny vola tena izy ! Io briquet misy jiro io izao no ampiasaiko rehefa mividy vola vahiny.Teny Behoririka no nividianako ilay briquet (teo @ 700 Ar teo), rehefa arehitra ilay jiro dia manga / violet ny hazavana avoakany, na vola malagasy aza no tsilovinao dia mivoaka ilay marika famantarana ny maha-tena vola azy.
Manontania pharmacie fa tsy tadidiko intsony ny anti-poux nampiasaiko. Ny tsara fotsiny dia atao roa herinandro (ohatra hoe androany dia amin'ny Alarobia manaraka) ilay fanafody fa tsy indray mandeha akory.Mety tsara raha toa tonga dia andrarahanao gouttes lavandin ilay huile d'amande douce ka ! Ilay fatra fotsiny no tsy haiko satria tsy fantatro hoe firy ml ilau huile ampiasainao !
Ny olana dia ireo ankizy mifanerasera amin'ny zanakao any ampanarany izany no mamindra aminy, dia izay no mampiverina azy foana. Tsy ilay mayonnaise fait maison akory no inona fa ilay menaka mihitsy no tsy tian'ny hao na atody hao.Ampiasao ilay puxit hamonoana ilay hao sy atodiny dia rehefa afaka dia mividiana ireny "crčme" ahosotra amin'ny volo ireny (dark & lovely, capirelax, etsetra - ilay sans rinçage) dia asio "huile essentielle de lavandin" (homéopharma) gouttes 5 eo ho eo raha boîte crčme iray dia afangaroy amin'ny sotrokely. Dia io crčme capillaire io no ahosotra amin'ny volon-janakao isan'andro fa tsy tokony hiverina intsony ny hao. Ilay menaka sy lavande/lavandin mantsy tsy tian'ny hao.Ny zanako io no tena nahafaka azy saingy hatramin'izao izy tsy te hiherika fofona lavande (savony, eau de cologne, parfum misy lavande) intsony fa leo be !
Mikasa ny handoko sy hanatsara tafo koa aho. Ny hitako tena tsara sady manamafy ny "étanchéité" aloha hatramin'izao dia ny ao @ Mauvilac Ankorondrano (akaikin'ny Air France). Fa lafo an, tsy ananako ny vidiny fa tamin'ny "Salon de l'Habitat" no nahitako an'io.BATPRO eo Ankadimbahoaka koa manana loko tsara.
"efa nisy nanome an'io eto" fa tsy "efa nanome eto io" !
Forello Tanjombato, akaikin'ny Bois Exotique d'Afrique. Miala tsiny fa tsy tadidiko ny anarany fa toa efa nanome eto io. Raha mandeha bus 199 ianao dia miala eo @ espace (izay lazaina @ resevera). Raha mandeha 154 na 159 dua miala eo @ terminus dia eo indray manontany olona. Raha mandeha fiara dia eo @ Espace Orange taloha (raha hitanao ny Hazovato dia mbola mandroso ihany 200 m dia mivily ankavanana).
Plaky > Miarahaba anao, mpivarotra taiza no nividiananao io placo pro io azafady ?
Tann > Mankanesa ao @ Candy Andraharo, Cosmos (betsaka ny magazay, toa ry zareo no nisolo an'i Enova).
Manontania ao @ ICTA Tsaralalŕna, tao Ambodifilao izy taloha fa tsy haiko hoe aiza ao Tsaralalŕna no nifindra. Ity ny ahazoana azy (antso an-tariby) roa roa roa fito telo dimy valo.
Salama ! Ao amin'ny Jumbo Score Ankorondrano misy, tsy poudre ilay izy fa "filament" no ao.