• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Cci Portes De Normandie
Image
Asa & Fianarana

Hanomboka « stage » : ireo fiomanana mila atao

06/05/2024 09:36 © Moov.Mg

Dingana iray tafiditra anatin’ny fandaharam-pianarana any amin’ny ambaratonga ambony ny andranasa na ny « stage ». Amin’ny ankapobeny dia mila manao « stage » isan-taona ny mpianatra ary miova hatrany ny toeram-piasana anaovana izany. Inona avy ary ny fiomanana mila atao alohan’ny hanombohana « stage » mba ampizotra tsara izany ?

Mikaroka ny toeram-piasana hanaovana « stage »

Ny fikarohana ny toeram-piasana hanaovana « stage » no dingana voalohany mila tanterahana alohan’ny hanombohana izany. Amin’ny ankapobeny dia orinasa na sehatra mifandraika amin’ny fianarana na fiofanana narahana no safidiana hanaovana fizarana asa. Tsara raha alefa volana maro mialoha ny fangatahana na « demande de stage » satria sarotra ny mahazo toerana amin’ireny toeram-piasana ireny. Matetika moa dia ny mpianatra ihany no mitady ny toerana hanaovany « stage ». Misy kosa nefa ireo toeram-pianarana sasany mikaroka sy mitady orinasa hanaovana andranasa ho an’ireo mpianatra ao aminy.

Manadiady ny mikasika ny toeram-piasana hanaovana andranasa

Rehefa nahita toeram-piasana anaovana « stage » ary voaray amin’izany dia mila manadiady mikasika azy io alohan’ny hanombohana ny fizarana asa ao aminy. Izany dia ahafahana mahafantatra sahady ny sehatra ivelaran’ilay orinasa, ny karazana asa ataony… Manampy betsaka mba hiomanana ara-tsaina amin’ny fanombohana ny « stage » ihany koa moa izany. Mora kokoa ihany koa ny manomana ny fampahafantarana ny mikasika ny tena, ireo antony nanosika hisafidy ilay orinasa ary manazava ireo zavatra endrasana amin’ilay fizarana asa ho atao.

Miomana ara-tsaina sy ara-fitafy

Ny fampidirana sy fanazarana ny mpianatra eo amin’ny sehatry ny asa no antony anaovana « stage ». Hiditra tontolo vaovao aminy, miala amin’ny fahita any am-pianarana sy ao an-trano, ny « stagiaire ». Mila fiomanana ara-tsaina noho izany ny fanombohana ny andranasa mba hanana ny fazotoana sy ny farisihana takiana amin’ny fanatanterahana ny asa (tâches) ampianarina sy ampanaovina ao amin’ny toeram-piasana. Ankoatra izay dia mila mivonona ihany koa amin’ny fitafy hanaovana mandritra ny « stage ». Samy manana ny fomba fitafy takiana aminy ny orinasa tsirairay. Misy ireo mitaky fitafy mihaja fa misy ihany koa ireo manao fitafy tsotra. Amin’ny andro voalohany dia tsara hatrany raha fitafy mihaja no anaovana mba hanomezana haja ny fiasana sy ny mpiara-miasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo