• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Vecteezy
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra manampy hanatsarana ny vokatra amin’ny asa

03/05/2024 09:56 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra iray lehibe takiana amin’ny sehatry ny asa ny fahatratrana ny vokatra (productions) eo amin’ny mpiasa tsirairay. Misy fotoana nefa mahatsiaro tena tototry ny asa sy reraka ka sarotra ny mahatratra izany vokatra izany. Ireto ary misy torohevitra manampy hanatsarana ny vokatra amin’ny asa.

Mifantoka amin’ny asa iray

Misy fotoana isika mahatsiaro tena tototry ny asa satria betsaka ny zavatra mila atao sy vitaina anaty fe-potoana voafetra. Rehefa izay no mitranga dia raisina tsikelikely daholo ireo zavatra atao nefa tsy misy vita hatramin’ny farany fa manao zavatra iray dia 15 minitra dia miova zavatra iray hafa dia izay hatrany.
Tsy mampamokatra izany fomba fiasa izany satria mila mifantoka tanteraka ny atidoha rehefa manao zavatra iray. Mazava ho azy fa tapaka izany fifantohana izany rehefa miova zavatra hafa. Mba hampamokatra kokoa amin’ny asa noho izany dia mila mifantoka amin’ny asa iray ary vitaina hatramin’ny farany izany vao miova hafa indray.

Tsy misalasala manatanteraka ny dingana voalohany

Isan’ny zavatra sarotra amin’ny fanantanterahana asa na « tâche » iray dia ny manomboka izany. Mety ahatsiaro-tena ho kamokamo na ho kivy raha mieritreritra ny habetsaky ny asa miandry. Raha izany no mitranga dia lasa manemotra fotoana hatrany amin’ny fanatanterahana izany. Vao maika nefa mampitombo ny asa ny fangatahan’andro satria ilay asa ahemotra tsy maintsy ho vitaina ihany.
Etsy andaniny lasa mifanototra amin’ny asa manaraka mila atao. Mba hialana amin’izany fangatahan’andro izany dia mila mandray fanapahan-kevitra manomboka ny asa sy manatanteraka ny dingana voalohany. Rehefa mafana tsara ny atidoha dia mandeha ho azy ny tohiny.

Mamaritra sy manaja fe-potoana

Fomba iray manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny vokatra amin’ny asa ny fametrahana fe-potoana. Izany hoe faritana mazava ny fe-potoana ahavitana ny asa (tâche) iray. Izany dia mba ahafahana mametraka ny tanjona mazava tratrarina sy mifehy tena amin’ny ahatongavana amin’izany.
Rehefa manana fe-potoana tratrarina dia tsy alaim-panahy hanemotra hatrany ilay zavatra tokony atao. Hafa ny fe-potoana omen’ny lehibe ao am-piasana hanaovana ny asa ary hafa ihany koa ny fe-potoana manokana apetraka amin’ny tena hamitana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo