• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Sexualité & Mariage

Fanabeazana ara-pananahana : Mijery film X ny zanako 13 taona, inona no atao ?

01/03/2023 06:59 © Moov.Mg

Efa mivoatra tokoa ny teknolojia ankehitriny. Tsy vitsy ireo ankizy mbola any amin'ny kolejy no manomboka liana amin'ny firaisana ara-nofo. Manomboka eo amin'ny faha-12 na faha-13 taonany mantsy ny zazavavy no tonga fotoana. Ho an'ny tovolahy kosa dia manomboka mahatsiaro filàna ara-nofo. Raha tratranao mijery film X ny zanakao vao 13 taona na latsaka aza, inona no tokony atao ?

Ferana ny fitaovana ahafahana mikirakira aterineto

Tsy mbola tokony hanana finday na tablette ny ankizy latsaky ny 18 taona, eny fa na dia manana izany avokoa aza ny mpiara-mianatra aminy. Raha tsy maintsy mampiasa finday ny ankizy, tsara raha fitaovana natao hifampiantsoana amin'ireo ray aman-dreny fotsiny izany. Tsiahivina ihany koa fa raha mbola mpianatry ny kolejy na ny lisea, tsy azo atao ny mitondra finday mba isorohana olana maro.
Maro amin'ireo ankizy noho izany ny mangalatra mampiasa ny finday na ny solosain'ireo ray aman-dreniny hijerena horonan-tsary mamoafady. Misy ihany koa ireo manana naman-dratsy ka mifamotoana any amin'ny tranon'ny iray amin'ireo mpiara-mianatra rehefa tsy misy olon-dehibe. Mila mailo araka izany ny ray aman-dreny. Na eo aza ny fahasahiranana noho ny asa dia tsara hatrany ny manara-maso ny ankizy.
Raha sendra tratra eo am-pijerena film X kosa, tsara ny mifampiresaka avy hatrany. Ilaina ny fanazavana amin'ny ankizy fa natao ho an'ny olon-dehibe ny firaisana ara-nofo. Efa azo atao ihany koa ny manazava tsikelikely fa nataon'Andriamanitra ahazoana taranaka ny firaisan'ny lahy sy ny vavy na dia eo aza ny fahafinaretana azo avy aminy. Tsy tokony isalasalana ny milaza amin'ireo tovovavy kely fa raha bevohoka aloha loatra dia ho tapaka ny fianarana satria tsy maintsy hitaiza zazakely.

Mila mifanara-tsaina ny mpivady

Miankina betsaka amin'ny fiainan'ny mpivady ny fanabeazana ara-pananahana. Sarotra tokoa mantsy no hiteny ny ankizy raha fantatr'izy ireo fa "manao sipa" i dada na i neny. Raha tiana handray anatra ny ankizy dia mila hitan'izy ireo taratra isan'andro ny fifankatiavana sy ny firaisan-tsaina. Tsy azo atao velively ny miady eo imason'ny ankizy. Tsara raha mihidy any amin'ny efitranony sady miteny mora ny mpivady rehefa misy resaka mampifanditra.
Amin'ny malagasy, ny reny no akaiky ny zanaka lahy, ary ny ray no akaiky ny zanaka vavy. Tsy manakana ny reny hifanakaiky kokoa amin'ny zanaka vavy nefa izany. Ny ray ihany koa dia afaka mandray ho namana ny zanaka lahy. Mahasoa ny miresaka ny fiainana ara-pananahana, indrindra moa mba isorohana ireo naman-dratsy sy ireo mpanararoatra. Adidin'ny ray aman-dreny ny mananatra ny zanany mba tsy ho tafalatsaka amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, eny fa na mifoha aza ny fitiavana. Tsy azo atao ny fandrarana be loatra sao mitsoaka na minia manao ditra tsy ampoizina ny ankizy. Rehefa mandrara, ilaina hatrany ny milaza mazava ny antony.

_Tsy mora ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Anisan'ny tahotry ny ray aman-dreny ny hanery ny zanany hanambady noho ny vohoka tsy niriana. Tsy sarotra nefa ireo fomba azo isorohana ireo tranga manahirana.
_

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo