• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Sexualité & Mariage

Azo ahatokisana ve ny fanisana andro hisorohana ny fitondrana vohoka ?

25/05/2023 14:56 © Moov.Mg

Tena mahomby ve ny fanisana andro hisorohana ny fitondrana vohoka ? Afaka manao izany avokoa ve ny vehivavy rehetra ? Ahoana ny fomba fanisana andro mba tsy ho bevohoka ? Inona avy no tokony ho tandremana rehefa mampihatra ny fanisana andro ? Ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ny vehivavy maro ireo ary no ndeha ho ezahina valina.

Fanisana andro, fomba fandrindram-piterahana ara-boajanahary

Ny fanisana andro dia fomba fandrindram-piterahana ara-boajanahary mifototra amin’ny fikajiana ny andro mahalonaka na mahabevohoka ny vehivavy. Mila mahafantatra ny vanim-potoana mahalonaka azy mandritra ny tsingerin’ny fadimbolany noho izany ny vehivavy misafidy ity fomba fandrindram-piterahana ity. Rehefa tonga izany vanim-potoana izany dia tsy tokony manao firaisana ara-nofo ny vehivavy mba hisorohana ny fitondrana vohoka.

Ahoana ny fomba fanisana andro mba tsy ho bevohoka ?

Ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy dia maharitra 28 andro ny fitsingerin’ny fadim-bolana. Ny fotoana manodidina ny faha-14 andro alohan’ny ahatongavan’ny fadimbolana izany no mamoaka atody ny « ovaire ». Io no atao hoe fotoana maha lonaka ny vehivavy. Marihana moa fa tsy miaiana mihoatra ny 12 ora ny « ovule non fécondé » na hoe ny atody tsy nitambatra tamin’ny tsirinaina. Ny tsirinaina kosa dia afaka miaina mandritra ny 5 na 6 andro. Tsy tokony hanao firaisana ara-nofo mandritra ny 5 na 6 andro alohan’ny andro mahalonaka sy 1 andro ao aorian’izany noho izany vehivavy tsy maniry ho bevohoka.
Ho an’ireo manana fitsingerenan’ny fadim-bolana maharitra, ohatra hoe 31 dia hanenana 14 fotsiny izany ahafantarana ny andro mahalonaka. Izany hoe 31-14= 17. Ny andro voalohan’ny fadimbolana no manomboka manisa ary ny andro faha-17 no andro mahalonaka. Raha 10 mey no manomboka ny fadim-bolana, ny 27 mey izany no vanim-potoana mahalonaka. Tsy tokony hisy firaisana ara-nofo noho izany eo anelanelan’ny 21 mey sy ny 28 mey.

Afaka mampihatra ny fanisana andro avokoa ve ny vehivavy rehetra ?

Tsy ny vehivavy rehetra no afaka mampihatra ny fanisana andro ho fomba fandridram-piterahana. Ireo manana fitsingerin’ny fadimbolana 26 hatramin’ny 32 andro no azo antoka indrindra fa tsy ho voafitaka amin’ny fikajiana ny vanim-potoana mahalonaka.
Tsy tokony hisafidy ity fomba fandrindram-piterahana ity ihany koa ny vehivavy manao « trouble hormonale » satria mety miovaova ny fitsingerin’ny fadimbolana ka hahadiso ny fanisana andro. Mba ampahomby ity fisorohana ny fitondrana vohoka ity dia mila mifanaraka ny mpivady mba tsy hanao firaisana ara-nofo tsy voaaro mandritra ny vanim-potoana mahalonaka.

Inona avy no tokony ho tandremana rehefa mampiasa ny fanisana andro ?

Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiharana ny fanisana andro. Tsy atahorana hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana ity fomba fandrindram-piterahana ity ary tsy handoavam-bola. Mila mitandrina kosa nefa rehefa mampihatra izany satria tsy azo antoka 100% izany.
Mety ho bevohoka ny vehivavy raha tsy mahay mikajy ny vanim-potoana mahalonaka azy na misy fikorontanana eo amin’ny fitsingerin’ny fadimbolana nefa manao firaisana ara-nofo. Tsara ny manamarika fa ny mety hisy fiantraikany amin’ny fitsingerenan’ny fadim-bolana ny adin-tsaina, ny arerahana be loatra, ny aretina…
Tsy tokony ampiasaina ny fanisana andro ihany koa mandrintra ny vanim-potoana mety miteraka fiovan’ny fitsingerenan’ny fadimbolana, toy ny volana voalohany aorian’ny fiterahana, mandritra ny fotoana fampinonoana, aorinan’ny fampitsaharana fanabeazan’aizana mampiasa fanafody…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo