• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Découvrir Montessori
Image
Sexualité & Mariage

Youpala : azo ampiasaina fa mila fitandremana tsara

17/05/2023 11:51 © Moov.Mg

Fitaovana iray natao mba hanampiana ny zaza vao mianatra mandeha ny youpala. Maro ankehitriny ireo firenena any ivelany mandrara ny fampiasana azy noho izy mety mandratra ny zaza. Fa inona tokoa moa zany youpala ? Inona ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ny fampiasana azy ? Inona no fitandremana tokony ataon’ny ray aman-dreny ?

Inona ny atao hoe youpala ?

Ny youpala dia karazana seza misy kodiarana sy fiarovana mba ahafahan’ny zazakely mitsangana, mipetraka na koa mamindra irery. Fitaovana iray natao hampilalao ny zaza sy hampianatra azy handeha ny youpala. Manomboka eo amin’ny 8 na 9 volana eo ny zazakely no azo apetraka eo amin’ity farany. Afaka mihetsika ankalalahana ny zaza eo ambony youpala. Manampy azy hikisakisaka moramora amin’ny tongony ity fitaovana ity noho izy misy kodiarana. Afaka manomboka mamindra mandroso, mihemotra na miodikodina am-pitoerana izy rehefa zatra.

Ireo lafy tsaran’ny fampiasana youpala

Anisan’ny lafy tsara lehibe ny fampiasana youpala ny fampianarany ny zaza hamindra haingana sy irery. Satria misy fiarovana azy tsy hianjera ity fitaovana ity dia ho sahisahy kokoa izy hikisakisaka sy hamindra irery, tsy mila mpitazona. Manitatra ny sain’ny zaza ihany koa ny mipetraka eo ambony youpala satria afaka manakaiky sy mamonjy ireo zavatra mahaliana manodidina azy izy. Misy ary moa youpala sasany misy kilalao sy karazana loko mahavariana ny zaza eo aminy.

Ireo lafy ratsin’ny fampiasana youpala

Misy lafy ratsiny mila jerena ihany koa ny fampiasana youpala. Voalohany amin’izany ny mety fianjerana raha toa ka misy tohatra ny toerana hilalaovan’ny zaza. Mety ho voadona ny riran-javatra toy ny latabatra na fanaka hafa ny zaza raha tsy voaaramaso na mamindra haingana loatra rehefa eo ambony youpala. Ankoatra izay mety misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny tongotra, ny kitrokely na ny lohaliky ny zaza ny fampiasana ity fitaovana ity. Raha miezaka mamindra aloha loatra tokoa mantsy ny zaza dia mety hiteraka tsy fahatomombanana amin’ny vatany izany.

Ireo fitandremana atao rehefa mampiasa youpala amin’ny zaza

Mila mitandrina mandrakariva ny ray aman-dreny amin’ny fampiasana youpala amin’ny zazakely. Raha tsy misy toerana malalaka afaka hilalaovan’ny zaza youpala ao anaty trano dia aleo tsy mampiasa izany. Arahina maso tsara ihany koa izy rehefa mipetraka anaty io fitaovana io ary tandremana mba tsy hanantona tohatra. Tsy apetraka anaty youpala mihoatra ny adiny iray isan’andro ihany koa ny zaza mba hiarovana ny tongony sy ny lamosiny tsy ho reraka loatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo