• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Facile À Vivre
Image
Maison & Jardin

Fanadiovana vilany : ireo fomba mahomby sady tsy lafo afaka atao

01/03/2023 16:47 © Moov.Mg

Ny vilany sy ny lapoaly no anisan’ny fitaovana an-dakozia sarotra diovina. Indrindra moa rehefa sendra ilay vodivilany may sy misy loto matevina miangona ireny. Misy ihany anefa ireo fomba mahomby sy tsy lafo ho fanadiovana vilany sy lapoaly.

Fanadiovana vilany amin’ny karibonetra sy vinaigitra fotsy

Fanadiovana vilany mora atao nefa mahomby ny vinaigitra fotsy sy karibonetra. Maka vilany lehibe antonona ilay vilany na lapoaly ho diovina. Ataingina ambony afo io vilany lehibe io ary arotsaka ao anatiny ny vinaigitra fotsy 2 litatra sy ny karibonetra 1 vera. Ajoboka ao ny vilany hodiovina ary avela hangotraka. Avela hilona kely mandritra ny 5 minitra vao esorina. Avela hangatsiaka ary diovina tahaka ny mahazatra amin’ny éponge sy rano ary savony.

Ketchup, fanadiovana ny vilany may sy sarotra diovina

Ny voatabia sy ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana ny ketchup dia misy « acidité » mandaitra tsara amin’ny fanalana ny loto sarotra esorina amin’ny vilany. Lalorana ketchup ny vodivilany ary avela hilona eo mandritra ny 30 minitra. Rehefa vita dia kosehina amin’ny éponge. Afaka mampiasa ireny paille de fer ireny raha toa ka somary miraikitra ilay loto. Azo anadiovana lafaoro sy fitaovana arafesina ihany koa ny ketchup.

Voasary makirana raha mbola tsy maloto loatra ny vilany

Fanadiovana vilany mandaitra ihany koa ny voasary makirana. Ilay hodiny iny no ampiasaina hikosehina ny vilany na ny lapoaly. Somary mila hery mafimafy ny fikosehina mba hampahomby tsara ity torohevitra ity. Marihina fa ny vilany na lapoaly mbola tsy maloto be loatra sy tsy may no afaka diovina amin’ny hoditra voasary makirana. Faranana amin’ny éponge, savony sy rano tahaka ny mahazatra ny fanadiovana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo