• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Julia Monnier, Naturopathe
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanalana mony amin’ny tarehy : ireo fomba natoraly mahomby

23/03/2023 17:11 © Moov.Mg

Mahasorena tokoa ny fahitana mony eo amin’ny tarehy. Maro ireo antony mety mahatonga izany. Ho an’ireo olona misy mony mandavan-taona, ilaina ny manantona mpitsabo hoditra mba ahazoana fitsaboana sahaza izany. Ho an’ireo izay misy mony mandalo kosa, ireto manaraka ireto no fomba natoraly fanalana mony amin’ny tarehy.

Tantely sy persily : fanalana mony amin’ny tarehy tsy mamela tasy

Ny tantely dia akora natoraly fampiasa amin’ny fikarakarana ny hodi-tava. Mampitony ny hoditra ny tantely ary manampy amin’ny fanamandinana azy. Manampy amin’ny fanalana ny tasy avelan’ny mony ihany koa ny tantely. Ny persily ety an-daniny dia sady antioxydant no antibactérie. Fanalana mony amin’ny tarehy tena mandaitra tokoa ny fanafangaroana ny tantely sy ny persily. Alaina ny tantely iray sotro fihinanana sy ny ravina persily iray tanana. Atao anaty laona dia avy eo totoana mba hahazoana fangaro miendrika pâte. Ity farany no apetaka eo amin’ny mony. Avela hilona 10 minitra vao kobanina amin’ny rano matimaty.

Vahona: fanalana mony amin’ny tarehy azo antoka

Zava-maniry fampiasa amin’ny fikolokoloana ny hoditra ny vahona. Mampitony sy manalefaka ny hodi-tava ity farany. Fanalana mony amin’ny tarehy azo antoka fa tsy manimba hoditra ary mandaitra tokoa ny vahona. Manampy amin’ny fanamainana ny fery avelan’ny mony ihany koa ity zava-maniry ity. Tsotra ny fampiasana azy. Maka ravina vahona iray ary zaraina roa amin’ny antsy. Alaina amin’ny sotro fihinanana ilay ranony maditity iny ary iny no ahosotra eo amin’ny mony. Mila sasana madio aloha ny tarehy vao mampiasa azy ity. Endrasana maina tanteraka ny vahona vao kobanina amin’ny rano matimaty. Atao isan’andro izany fikarakarana izany mba ho maina sy ho afaka tanteraka ilay mony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo