• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Le Gourmeur
Image
Madagasikara

Sakafo gasy mafilotra : fomba fikarakarana amalona ritra

21/02/2023 15:08 © Moov.Mg

Maro mpankafy ny amalona rehefa ilay misakafo an-dalana mandritry ny fandehanana miala-sasatra iny. Anisan’ny sakafo malagasy tena mafilotra tokoa ity karazana trondro ity. Te hahandro azy any an-trano ve ianao ? Itanao eto ary ny fomba fikarakarana amalona saosy tsotra sady mafilotra.

Ireo zavatra ilaina

Amalona 1kg
Henankisoa voatetika 500 g
Anandrano atao lafika
Voatabia 2 voatetika madinika
Tongolo maitso 1 fehezana voatetika manify
Sira

Fomba fikarakarana

Atsoboka ao anaty rano mafana ny amalona ary esorina hiala ilay odiny somary malamalama iny. Rehefa madio dia tetehina 5 na 6 sm eo ho eo. Etsy ankilany, sasana ihany koa ny henankisoa voatetika ary avela hitsiaka. Arotsaka ao anaty vilany ny anandrano ho atao lafika. Arotsaka manarak’izany ny henankisoa. Tsara kokoa raha somary matafy ilay henankisoa. Apetraka eo amboniny ny amalona, ny voatabia, ny tongolo maitso ary ny sira. Tapohina rano mandifotra azy ireo fangaro. Tsy atao mihoatra satria mitera-drano ny anandrano. Tsy asiana menaka ihany koa satria efa samy matavy ny henankisoa sy ny amalona. Avela hiketrika ambony afo malefaka mandrapa ritra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo